Vokatry ny oram-be eto Toamasina dia namoaka filazana ny polisim-pirenena eto Toamasina, tarihan’ny talem-paritry ny polisy Atsinanana kaomisera Rakotovao Christian, ho an’ireo mpiara-miasa aminy. Araka ity fanambarana ity dia tsy mitsahatra eo amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka ny asany, fa tokony hita ihany koa izy ireo amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona mila vonjy noho ny fiakaran’ny rano amin’ny faritra maro eto Toamasina. Noho io antso avo avy amin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny io, dia avy hatrany dia nanampy ny mpiara-monina ny teo anivon’ny FIP notarihan’ny komanda Rafaliarivo Jules.
Nidina ifotony nanampy ireo nila vonjy izy ireo, ka nanampy ireo nibata ny entany nifindra trano tamin’ireo toerana natokan’ny kaominina nifindran’ireo traboina noho ny rano niakatra. Isan’ny nihetsika nandritra izany koa ny polisy tao Mangarano izay nanampy ny mponina tao Mangarano noho ny fiakaran’ny rano be, ankoatra ireo manodidina ny Mangarivotra sy Cité Haras. Nanampy ny vahoaka tao Toamasina faharoa tsy lavitra an’i Toamasina renivohitra koa ny zandary, satria nahita fiakaran’ny rano be koa ny manodidina an’i Toamasina renivohitra.
Maromaro ireo toerana nosafidian’ny kaominina sy ny BNGRC ary ireo komity samy hafa no nisafidy toerana noho izy ireo tsy azony rano loatra, ka tsy hampanano sarotra ireo efa dibo-drano nifindra monina. Isan’izany ny kianja mitafo ny Soavita, ny Dojo Soavita, ny EPP Ambohijafy, ny EPP Morarano, … ary ny CRJS; izay samy mahazaka olona 500 hatramin’ny 800 avokoa izy ireo. Raha ny tao amin’ny EPP Ambohijafy fotsiny ohatra dia nahita traboina 53 araka ny fanazavana voaray, izay notaomin’ny FIP.
Ankoatra izany dia manao ezaka mafy koa ny tao Fenerivo Atsinanana tamin’ny fanampiana ireo traboina noho rano be, sy ny fanamboarana ireo fahasimbana napetraky ny orana. Vita ny alarobia maraina teo ihany ny fanampenana ilay tetezana nahita fahasimbana, ka efa azony fiara madinika aleha izany; saingy ny rano no tsy mbola ritra eraky ny Tanàna ao fenerivo Atsinanana ao. Manampy betsaka ny mponina koa ny fitandroana ny filaminana any an-toerana amin’ny fandraisana andraikitra manampy ny vahoaka ataon’ny zandary sy ny polisy.
Lasa fitadiavam-bolan’ny olona sasany koa ny fahasimbana eo amin’ny tetezana iray ao Sahandahatra Ambodiriana ao vokatra ity oram-be ity, satria lasa misy mitady vola amin’ny fitaterana olona amin’ny alalany zahatra hiampitana rano, ka raha ny vaovao voaray dia 1.000 ariary ny olona iray hiampita, raha 5.000 ariary ny mampita moto iray ihany koa. Tady ny ampiasana isintonana izany fiampitana izany, nefa tsy maintsy eo ihany no azo iampiatana raha ny vaovao, nefa efa namono olona iray ity rano mahery be ity ny faran’ny herinandro teo araka ny vaovao nampitain’ireo vahoaka avy any an-toerana.
Malala Didier