- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversOrana mikija : Vehivavy iray maty nihotsahan’ny trano, trano dimy noravana

Orana mikija : Vehivavy iray maty nihotsahan’ny trano, trano dimy noravana

Nirotsaka tsy nijanona ny orana teto amin’ny faritry ny renivohitra telo andro nisesy. Vokatr’izany, maro ireo trano hita fa mitady hianjera. Nandray ny andraikiny ny avy ao amin’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Fantatra araka izany, fa trano dimy tamin’ny toerana maro no tsy maintsy nazera mba hisoroana ny loza omaly. Na izany aza anefa, dia efa nisy ny olona niharan’ny voina tamin’ny toerana roa. Ny iray voalohany teny Ambohimanarina, ny harivan’ny alatsinainy teo. Vehivavy iray no fantatra fa nihotsahan’ny trano. Nanao izay ho afany ny manodidina naka azy io. Rehefa tafavoaka ilay olona dia nezahina nentina teny amin’ny hopitaly. Ny vaovao no nahalalana fa tsy tana intsony ny ainy. Trano iray ihany koa ny voalaza fa nianjera teny Analamahitsy, omaly maraina be tamin’ny 5 ora sy sasany. Nisy olona iray tototra koa tao. Tafavoakan’ny olona anefa ilay izy ary avotra soa aman-tsara ny ainy. Tamin’ireo toerana roa ireo, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna namone tànana. Efa nanao ny adidy tandrify azy anefa ny mponina.

Ankoatra ireo toerana roa ireo, nisy ny fanjerana trano tsy maintsy natao, hoy ny vaovao voaray. Faritra efatra no nisy izany, ny teny: Manakambahiny, Ambodimita, Betafo Ambohimanarina ary Besarety. Tamin’ireo toerana ireo, tsy nisy ny olona naratra. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina nandrodana ireo trano ireo. Etsy andanin’izany, avy tsy mijanona ny orana omaly. Mbola ahiana ny hisian’ny faharavana hitera-doza. Manainga ny rehetra ny tompon’andriakitra ho mailo hatrany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser