Manome vatsim-pianarana ho an’ireo tanora mendrika ao amin’ny faritra hiasany sy andalovan’ny orinasa ny orinasa Ambatovy, ka ireo tanora sangany amin’ny fianarana ao amin’ny faritra hiasany antsoina hoe “high school scholarship” ny fandaharanasa mikasika izany, ary manomboka ao Alaotra-Mangoro ka hatrao Atsinanana. Ireo sekoly ao anatin’ny Sisco anatin’ny distrika efatra misy ny orinasa no mahazo izany fanampiana izany. Ireo tovovavy sangany no nanaovana azy tany amboalohany hanampiana azy tsy hiala an-daharana anatin’ny fianarana, fa nihitatra tamin’ny tovolahy izany taty aoriana. Miisa 56 ireto tanora ireto tamin’ity taona ity avy amin’ny sekoly miisa 32, ka sekoly 08 eto Toamasina I, 07 ao Toamasina II, Brickaville 10 ary Moramanga miisa 07; raha niisa 16 ireo tanora sangany teo aloha izay nanomboka ny taona 2021 ary afaka fanadinana BEPC tamin’ity taona ity izy ireo. Mahatratra hatramin’ny tanora 382 no tanjon’ny orinasa ao anatin’ny 7 taona hanomezana ny vatsim-pianarana, ka any amin’ny 119 tapitrisa isan-taona ny teti-bola natokana ho an’izany. Manomboka ny taona eny amin’ny kilasy 6ème ka hatreny amin’ny kilasy famaranana izany manomboka izao, ka misy komity avy amin’ny sisco sy ny dren ary ny orinasa Ambatovy ao anatin’ireo mpanao sivana ireo tanora misitraka izany. Ny resaka faharefona sy fahazoana naoty ambony teny am-pianarana ary ny fahafahana ny fanadinana BEPC ny fahazoana izany. Natao ny zoma tolakandro teo Toamasina ny fanomezana ny vatsim-pianarana ho an’ireto tanora ireto. Hiantohana ny saram-pianarana, ireo fitaovam-pianarana samy hafa, ary ny fianarana teny vahiny ho an’ireo mpianatra ankoatra ny fandaniana hafa, no ampiasana ny vatsim-pianarana omena. “Tsy manan-jo tsy ho tafita ianareo tanora mahazo izao fanampiana izao, satria tohana tsara amin’ny ho avy izao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana, raha niteny ireto tanora karakarain’Ambatovy ireto. “Ho fandraisan’anjaran’ny orinasa Ambatovy amin’ny fandrosoan’i Madagasikara sy ny orinasa no anton’izao. Mandray anjara amin’ny fanabezana ny tanora Malagasy sy fampiroboroboina ny fanabezana koa ny orinasa”, hoy kosa ny Ambatovy nanafatra ireto tanora.
Malala Didier