- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Ambatovy : Nanolotra fitaovana mitentina 25 tapitrisa ariary hiadina amin’ny pesta

Orinasa Ambatovy : Nanolotra fitaovana mitentina 25 tapitrisa ariary hiadina amin’ny pesta

Tao anatin’n herinandro izay, dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona hita fa miabo tamin’ireo fitiliana natao tamin’ireo olona nahiana ho mitondra ny tsimok’aretina pesta teto Toamasina. Efa tafakatra an-jatony ireo nahitana ny soritr’aretina pesta ity nanao fitiliana ankehitriny, tao anatin’izay dia 7 no maty raha efa nisy am-polony ihany koa ireo sitrana afaka namonjy ny fianakaviany. Noho io fitomboan’ny marary raisina an-tanana eo anivon’ny toeram-pitsaboana ny aretin-tratra sy ny pesta ny hopitaly be Analakininina, dia voatery nampiana “trano lay” ny fandraisana ireo marary nanomboka ny faran’ny herinandro teo. “Orinasa miaina ao anatin’ny fiarahamonina misy azy ny orinasa Ambatovy, ka manampy azy ho tombontsoan’ny rehetra”, izay no nambaran’ny solon-tenan’ny orinasa raha nanolotra ny andiany faha-03-n’ny fanampiana ny hopitaly Morafeno sy hopitaly be Analakininina. Fitaovam-pitsaboana sy fitaovana fiarovan-tena ary fitaovana fisorohana sy fiadiana amin’ny pesta ity natolotra ity; izay mitentina 25 tapitrisa ariary ny sandany. Ankoatra izay dia nandray fepetra ihany koa ny filoham-pirenena tamin’ny fanomezana baiko ny birao misahana ny loza voajanahary sy ny rivo-doza, BNGRC, ny famindrana ny fitantanana ireo fiara sami- hafa vao azo tamin’ny fanjakana Koreana, hampiasaina amin’ny ady atao amin’ny pesta. Nisy noho izany ny famindram-pitantanana izany, teny amin’ny Jenia miaramila, ny zoma tolakandro.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici