Nahitana trangan-javatra nampisahotaka ny mpiasa tao amin’ny orinasa Ambatovy Tanandava, ny sabotsy teo. Nisy ity fonosan-javatra tsy mahazatra ny mpiasa nipetraka tamin’ny lalan-tsara tamin’ny “batiment H” , birao misy ny fiasan’ireo mpiasa mpikirakira ny mpiasan’ny orinasa ao Toamasina, sy birao misy ireo mpiasa mpanao fandraisana mpiasa hiasa eo anivon’Ambatovy.
Raha nosavaina ilay fonosan-javatra dia hatairana ny an’ny rehetra fa baomba vita tanana misy ireo pitsopitsony amin’ny fampirehetana sy fanapoahana azy no tao anatiny. Avy hatrany dia navoaka avokoa ny mpiasa tao amin’ity “batiment H” ity. Nisy koa ny fiantsoana mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandarimariam-pirenena, izay efa nifanaraka tamin’Ambatovy amin’ny fiarovana ny orinasa, nijery ny zava-nisy. Ireo ekipan’ny arolozan’Ambatovy ihany koa efa vonona tamin’izay mety hitranga rehetra ateraka ity baomba vita tanana ity mandritra ny fanadihadiana natao taminy.
Raha natao anefa ny fanadihadiana rehetra dia Baomba vita tanana tsy mbola tonga lafatra ilay izy, izay heverina fa entina hampihorohorona an’Ambatovy tamin’ireo zava-nitranga rehetra tao ho ao izay, ka isan’ireny ny fampiatoana mpiasa mahatratra 500, izay mitaky ny famerenana azy hiasa avokoa ankehitriny ka mahatonga ny sasany hivory ery sy hitokona etsy. Voalazan’ny angom-baovao natao, na sarotra aza ny nahazoana azy, fa tsy tongatonga ho azy ny fahitana ilay baomba vita tanana tao amin’ny “batiment H”, izay misy ny antontan-taratasy rehetra momba ny mpiasan’ny orinasa, sy nahatonga ihany koa ilay fampiatoana mpiasa farany teo, noho ny fahasahiranan’ny orinasa, araka ny filazan’Ambatovy azy. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha baomba vita tanana hita tao Ambatovy ity.
Ankoatra izay dia namoaka naoty ho an’ny mpiasany koa ity orinasa ity mikasika ny trangan’aretina pesta mahazo ny tratra ao Moramanga. Araka ny angom-baovao natao tamin’ireo mpiasa dia nandray fepetra amin’ny fiarovana ny mpiasany ny orinasa. Isan’ny nandraisana fepetra manokana ireo mpiasa ao Moramanga sy mpivezivezy any, indrindra ireo teratany vahiny miasa ao Ambatovy Moramanga, izay tena mivarahontsana tanteraka momba ity aretina pesta mahazo ny tratra ity.
Nangata-panazavana tamin’ny orinasana Ambatovy izahay, nefa hatreto dia tsy nisy ny famaliana izany mba hahalalana ny heviny sy ny fahitany ny zava-nisy tao amin’ny orinasa ao Toamasina.
Malala Didier