- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Ambatovy Tanandava : Notsidihan’ambasadaoro efatra be izao ny alatsinainy teo

Orinasa Ambatovy Tanandava : Notsidihan’ambasadaoro efatra be izao ny alatsinainy teo

Ambasadaoro efatra be izao no indray nitsidika ny orinasa Ambatovy Tanandava Toamasina, ny alatsinainy teo, nahitana ny : ambasadaoron’i Korea atsimo SE Atoa Sang-Woo – ambasadaoron’i Norvège SE Atoa Andréas Danevad – ambasadaoron’i Frantsa SE Atoa Christophe Bouchard – ary ny ambasadaoron’i Etazonia SE Atoa Michael Pelletier. Antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny orinasa tompon’andraikitra ara-tontolo iainana sy ara-maha-olon’ny mpiasa ary ara-maha-olon’ny toerana iasany tahaka ny orinasa Ambatovy, hoy ny ambasadaoron’i Korea. Raha ahitana orinasa tahaka izao isam-paritra, dia handroso haingana i Madagasikara, satria tahaka izany no nampandrosoa haingana ny firenena Koreana tatsimo, hoy ity ambasadaoron’i Korea ity. Marina hoy ny ambasadaoron’i Korea eto amintsika, fa famatsiam-bola Koreana sy Japoney ary Kanadiana ny orinasa Ambatovy, saingy fiaraha-miasa amin’ny firenena maro no nahafahana nanangana azy tahaka izao. Nomarihan’ny ambasadaoron’i Norvège sy  Frantsa ary Etazonia izay isan’ny mpanjifan’ny vokatra ataon’Ambatovy, fa ilaina amin’ny famatsiam-bola goavana tahaka izao ny fiarovana ny famantsiam-bola ataon’ireo mpandraharaha, ny lafin’ny filaminan’ny firenena ara-politika sy ara-tsosialy, ny lafiny lalana samy hafa, ary ny resaky ny samy mahazo tombony. Ankoatra izany nefa, na eo aza ny olana amin’ny vidin’ny nikela eran-tany tsy mety miakatra mihitsy, dia miezaka ny mamokatra nikela sy kobalta hatrany ny orinasa ary miezaka mitazona ny maha-isan’ireo firenena mpamokatra nikela sy kobalta azy eran-tany ny orinasa Ambatovy Tanandava Toamasina, Madagasikara.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici