Hatairana ny an’ireo trano manodidina ny orinasa « Anjavidy » eny amin’ny “port fluvial” Toamasina, fa nahitana firehetana ny orinasa mpamokatra anjavidy ity. Raha ny fanazavana dia nanomboka tamin’ny 02ora sy 30min maraina no nanomboka ny firehetana, ka tao anatin’izany dia toa naheno fipoahana sy nirefodrefotra toa feom-basy ny maro, nefa raha nivoaka nanao tazan-davitra dia may ilay orinasa « Anjavidy » ka ireo olona teo akaikiny ny niantso vonjy sy niorakoraka hoe « vonjeo e ! » ary nanapoapoaka zavatra nanaitra ny maro. Taorian’izay dia niala tany ny fiaran’ny mpamonjy voina sy hai-trano hamonjy ilay hai-trano goavam-be tao amin’ny port fluvial izay efa menan’ny afo mihintsy ny lanitra. Nanomboka teo ny famonoana ny afo saingy efa tena mafy be ny afo nandritra izay, satria efa nirehitra ireo tahiry ny orinasa amin’ny anjavidy. Taoriana izay dia nihitatra tamin’ireo kaontera sy ireo kamiao mibaby kaontenera misy ireo anjavidy eo an-dalam-panondranana ary ireo sambo kely mpitatitra anjavidy avy eny ambanivokitra fakana izany eto Toamasina, teo koa ireo fiara miasa eo anivon’ny orianasa. Tamin’ny 04ora sy 30min mbola tao anatin’ny firehetana ny orinasa « Anjavidy », na teo ny ezaka rehetra namonoana ny afo sy nanesorana ireo fitaovana teo akaikiny rehetra, soa fa ilay trano misy ny orianasa tsy voan’ny afo loatra ka tsy nahiana loatra ny famaizany. Afaka adin’ny roa taorian’izany, amin’ny 06ora sy 30min maraina, vao maty ny afo sy efa tena voafehy tanteraka izany, saingy tao anatin’izany efa lasa lavenona tanteraka ireo entana nadalovan’ny afo rehetra. Raha ny teti-bidin’ny entana may dia amina miliara, ary efa tonga nijery ny famaizana ny tompon’ilay orianasa ary nahita ny tena zava-misy marina mikasika ny orinasa. Efa tonga teny ny mpitandro filaminana mizaha ny anton’ny famaizana, na famaizana nataon’olona na noho ny antony vokatry ny herinaratra. Ankoatra izany dia nahagaga ny rehetra ny famaizan’ny orinasa matetika, na atao hoe vokatra mirehitra ny vokatra anjavidy, fa hatramin’izay dia tsy fantatra marina no mahatonga ny afo, na tamin’ny firehetana farany dia resaka fitselaran’ny herinaratra no nahatonga azy hoy ny mpiambina tao amin’ny orianasa nahita ny fiandohan’ny loza tamin’izay.
Malala Didier