Saika isan-kerinandro izao dia hahenoana foana fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy manao andiany efatra sy mpitondra moto scooter miaraka na basy poleta eto Toamasin arenivohitra. Nanomboka izany vao niandoha ny taona tamin’ity tranombarotra mpivaro-damba hana karana iray tao Anjoma – Bazary be, vaky loha ity karana ity vokatra izany; nitohy tamin’ireo teratany vahiny vao tonga namonjy trano fandraisam-bahiny sy fisakafohanana tao Ambalamanasy izany naha-lasa ny vola sy ny pasipaorin’izy mivady ireto. Ny talata 07 janoary tokony tamin’ny 03ora sy sasany dia mpivarotra ambongadiny kidoro spaonjy “Meva Foam” ao Tsararivotra indray no notafihana andian-jiolahy efatra mpitondra moto scooter sy nitondra basy PA roa. Lasa tamin’izany ny vola maty 36.000.000 ariary. Araka ny fanazavana azo dia tsy fomban’ity tranombarotra mpamongady kidoro spaonjy ity ny mitahiry vola maty ao anatin’ny orinasa, saingy tara tamin’ny fanaterana izany izy ireo ny talata 07 janoary teo ka izao niharan’ny fanafihana mitam-piadiana izao. Ny nahagaga ny mpitandro ny filaminana sy ilay tompon’ny tranombarotra dia ny fahafantaran’ireo andian-jiolahy ny fisian’ilay vola be sy ny toerana nisy ilay vola ary ny toerana misy ilay fitaovana mitahiry ny sary amin’ilay fakantsary mipetraka ao amin’ny orinasa izay nalain’ireo andian-jiolahy ihany koa. Midika izao hoy ireo mpanao fanadiadiana sy ny tompon’ny orinasa fa misy mpiray tendro anatiny izao raharaha izao izay mbola ho fantarina ny fisian’izany hoy izy ireo. Ankoatra izany dia nanao toy ireny mpanjifa samy hafa ireny ireto andian-jiolahy ireto tamin’ny fidirany tao amin’ny orinasa, raha raikitra ny ady varotra samy hafa vao namoaka basy ireto roa lahy niditra ny tranombarotra fa ny roa niandry teny ivelany, ary raha lasa ny vola be sy ny “disc dur” mitahiry ny horonan-tsary tao amin’ny orinasa dia nandositra ireto andian-jiolahy efatra mpitaigina moto scooter ireto.
Malala Didier