- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa nividy fiara : Nivadihan’ilay mpivarotra, naverina notakiana ireo fiara 36 efa...

Orinasa nividy fiara : Nivadihan’ilay mpivarotra, naverina notakiana ireo fiara 36 efa lafo

Rehefa hivadika tokoa ny olona, na inona na inona fifanarahana vita, dia tsy te-hahalala tsotr’izao. Ary mety ho tonga hatreny amin’ny fitsarana mihitsy ny raharaha. Toy ity tranga iray ity, izay fifanolanana nisy teo amina orinasa malagasy nividy fiara tamina orinasa mpivarotra fiara iray teto Andrenivohitra. Volabe amina miliara eto ny resaka, ka mety izay no antony nanosika ity farany hivadika tamin’ny fifanarahana efa vitan’izy ireo. Araka ny fantatra mantsy dia efa hatrany amin’ny taona 2013 ireto orinasa roa ireto no mpiara-miasa. Ny iray mividy ary ny iray mivarotra. Ary araka ny fifanarahana efa vita, dia aloa tsikelikely ny vidin’ireo fiara, mandra-pahavitany tanteraka. Efa manodidina ny fiara 90 teo no  novidin’ity orinasa malagasy ity araka izany tany tamin’ilay mpivarotra. Herinandro vitsivitsy teo anefa, nitranga ny olana, rehefa nitory ilay mpivarotra fiara fa mpisoloky sy mpisandoka ilay orinasa malagasy. Voalaza mantsy fa mbola nisy fiara 36 teo ho eo, tsy mbola voaloa vola, na misy fahatarana ny fandoavana ilay ampahany. Ka takian’izy ireo fatratra ny hamerenana ireo fiara am-polony ireto amin’izy ireo, tsy misy hatak’andro. Marihana anefa, hoy ilay malagasy tompona orinasa fa, efa nisy vola lasa izay efa mahery ny 50 isan-jato avokoa amin’ireo fiara ireo, ary ny valo amin’ireto fiara voatonontonona ireto aza dia efa voefa tanteraka ny vidiny. Tsy mandà anefa ity farany ny hamerenana ireo fiara, saingy tsy izy rehetra akory fa izay mifanaraka amin’ny ambim-bola any aminy. Efa tonga hatreny amin’ny mpitandro filaminana ary efa niakatra fampanoavana ny raharaha. Ao anatin’izany anefa dia mitaraina ilay mpividy fa hiharan’ny antsonjay tanteraka ary tsy afaka mampiasa akory ireto fiara ireto, eny fa na dia efa misoratra tsara amin’ilay orinasa aza ireo fiara ary efa misy ny fifanatonana sy fifampiresahana eo amin’ny roa tonta. Fantatra moa fa nisy ny fangatahana fetr’andro fanalefahana na  “delai de grace” any amin’ny Fitsarana nataon’ilay orinasa nividy fiara, handoavana ireo ambim-bola. Ary amin’izay lafiny izay, dia matoky tanteraka ny fitsarana ity tompona orinasa ity, satria dia mahatsiaro tena ho voambaka, voasoloky sy tratry ny fivadiham-pitokisana ny orinasany ao anatin’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici