Tena efa mihatra aman’aina ny tsy fandraisana karama eo anivon’ny orinasa SASM, na SIRAMA teo aloha, ao Maromamy Brickaville. Efa herintaona izay ireo mpiasa no tsy nandray karama, ka manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy eo anivon’ny orinasa izy ireo mba handoa izany karama izany alohan’ny 26 jona izao, raha tsy izany dia hitokona mafimafy kokoa noho ireo teo aloha nataon’izy ireo ny mpiasa 1.500 tsy nahazo vola karamany ireo.
Nambaran’ireo mpiasa sendra anay, izay tonga tao Toamasina mihitsy nitondra ny fitarainany, fa efa ny 30 desambra ny taona lasa izy ireo no nampanantenaina amin’ny karamany herintaona tsy azo. Mbola tahaka izany no nahazo azo ireo ny 30 janoary 2021 araka ny fampanantenaina nataon’ny solombavambahoakan’i Brickaville, ka nahatonga ireo mpiasa 1.500 nidina an-dalambe ny 5 marsa lasa teo teo anoloan’ny biraon’ny distrika, saingy zandary indray no nampitahorana ireo mpiasa mitaky ny karamany tamin’izany. Mbola nidina an-dalambe hatrany ireo mpiasa noho ny tsy firaharahiana azy ireo amin’ny hatsemboany tsy azo, ka nikasa nidina an-dalambe fanindroany izy ireo ny 1 may teo, nefa nampanantena tamin’izy ireo ny tompon’andraikitry ny orinasa tamin’ny alalan’ireto Afrikana tatsimo roa, nolazaina tamin’izay fa mpiara-miombona antoka amin’ny orinasa handoa ilay karama tsy azo, ka ny 17 may no fotoana handoavana izany. Hatramin’izao anefa dia nofitahina hatrany ireo mpiasa mikasika ny vola karamany fa tsy mety azo izany. Vokatr’izany dia nilaza ireto solontenan’ny mpiasa 1.500 tonga teto Toamasina nitaraina, fa hitokona faran’izay mafy izy ireo raha mbola tsy mivoaka izany karama 12 volana izany alohan’ny fetim-pirenena 26 jona izao. Ny tena olana koa dia ireo mpiasa mbola eo anivon’ny orinasa SIRAMA izay miara-miasa amin’ireo mpiasa eo anivon’ny SASM, dia mbola mandray karama tsy tapaka avokoa hatramin’izao.
Ankoatra izany dia mihodina ny orinasa saingy hatreto dia ilay siramamy natao fampirantiana teo anatrehan’ny filoha tonga tany an-toerana farany teo ihany ny siramamy novokarin’ny orinasa, izay nilanja 24 taonina. Mamokatra akoram-bokatra afaka hanamboarana toaka ny orianasa SASM, na izany aza, ary no mampidim-bola ao aminy, saingy tsy anatin’izany vola izany ny karaman’ny mpiasa 1.500. Fantatra izao fa mpiasa manao fiambenana teo anivon’ny orinasa maromaro no noroahina tsy nomena karama amin’izao, araka ny fitarainan’ireo mpiasa niresaka taminay ity.
Malala Didier