- Publicité -
vendredi, mai 2, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Sicam Toamasina : Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ny CCO Toamasina hiasany

Orinasa Sicam Toamasina : Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ny CCO Toamasina hiasany

Im-betsaka nanao antso avo mba hifanampian’ny samy Malagasy sy samy vahoaka  ny governora atsinanana izay. Efa betsaka ireo tonga nanohina ny antso tamin’izany, ka omaly maraina vokatr izany dia tonga ihany koa ny orinasa Sicam izao mpivarotra sy mpampanofa fiarakodia ny alarobia maraina teo nanolotra fiara tsy mataho-dalana iray ho an’ny CCO Toamasina mba entin’izy ireo miasa sy miady amin’ity valan’aretina Coronavirus ity ary hametrahana ny fampanarahan-dalana ny vahoaka amin’izao fihibohana izao. Nandritra ny fanoloran’ny Sicam ity fiara tsy mataho-dalana ity no nilazan’ny governora fa miisa 03 izao ireo olona voan’ny coronaviris eto Toamasina manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly manaram-penitra na tsy marary aza. Mbola maro koa ireo olona nanaovana fitilina nalefa any amin’ny Institut Pasteur Antananarivo, ka mbola andrasana avokoa ny valin’izy ireo hoy ny governora; koa mandram-pivalian’izany ahalalana ny tena voan’ny coronavirus eto Toamasina, dia ny fijanonana an-trano ihany no tena vahaolana mahomby tsy hiparitahan’ny viriosy eto amintsika. Ankoatra izany dia nisy koa ny fivoahan’ireo tangalamena sy vavanjaka tao anatin’ny fahanginany amin’ny fanentanana ny olona rehetra hanaja ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana ho fisorohana ny coronavirus.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici