Tsy mbola nisitraka ny zo-ny tokony horaisiny ireo mpiasan’ny orinasa Tiko izay voaroaka efa an-taonany maro izay. Tsy latsaky ny 70 isa izy ireo no niharan’ity fandroahana ity nandritra ny fotoana sarotra nolalovan’ny orinasa. Na teo aza izay ady sarotra nondalovan’ny orinasa izay dia tokony hisitraka ny zo-ny ireo mpiasa ireo raha ny fanazavana. Efa niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha tamin’ny taona 2019 ka nazahoan’ireo mpiasa rariny saingy mandraka ankehitriny dia hodian’ny orinasa faninana ny didim-pitsarana izay nivoaka. Raha tanisaina dia isan’ny fitakian’ireto mpiasa ireto ny “droit de congé, ny préavis, sy droit de lincenciement” miampy ny onitra izay notakian’ny mpisolo vava. Niandry ny fahatsoran’ny mpitantana ny orinasa izahy hoy ny solonten’ireo mpiasa saingy hatramin’ny 2021 nivoahan’ny didy dia nialangalana sy narirariran’ny mpitantana ny orinasa teny foana ny fitakiana na dia efa nitondrana vadintany aza izy ireo.
Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra noho izany ireo mpiasa hijery akaiky ity raharaha ity fa raha toa ka tsy hisy izany dia hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa izy ireo, araky ny fanazavan’ny solontenan’ny mpiasa.
Andry N.