Tena miandry ora farany avokoa vao tapa-kevitra hametraka ny filatsahan-kofidiany amin’ny solombavambahoaka ny 27 may ho avy izao, ireo nilaza ho isan’ny kandida amin’izany. Taorian’ny kandida Mahavimbina Alain; izay nanarina ny fanilihan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ka nametraka ny filatsahany hofidiana ho depiote eto Toamasina I voalohany. Omaly tamin’ny 11ora sy sasany ary no nametraka ny maha-kandida azy amin’izay fifidianana solombavambahoaka izay Rakotomalala Henri na Riribe izay natolotry ny AKFM – Fanavaozana eto Toamasina. Nosafidiany manokana ny andron’ny omaly izay nahatrarany ny faha-57 taonany nametrahany sy ireo mpiray lisitra aminy izay samy teraka ny volana marsa avokoa ny filatsahan-kofidian’izy ireo teo anivon’ny Ovec Toamasina I. Nandritra izao fametrahany ny antontan-taratasiny izao, dia nasiany teny manokana ihany koa ny momba ireo “zanaky Toamasina” gadrain’izao fitondrana izao, izay voaenjika noho resaka trafika na andramena; izay nilazan-dRakotomalala Henri na Riribe, fa tokony hosamborina avokoa ireo nanao izany trafika na andremana izany, fa tsy asiana tombo sy hala satria tsy Maminirina Eddy ihany no nanao izany fa olona maromaro no voatonona sy nivoaka lisitra amin’izany ary betsaka amin’izany no mpiara-dia sy nanohana ny filoha ankehitriny. Ankoatra izay, dia mitaky ny tsy handoavana ny karaman’ny depiote intsony Rakotomalala Henri na Riribe, ka ho hita eo ny tena tia tanindrazana sy ny faritra nahavoafidy azy amin’izay. Raka ny vaovao marim-pototra voaray ihany koa izao dia nisafidy ny andron’ny 8 marsa andron’ny vehivavy maneran-tany no hametraka ny filatsahan-kofidiany ny Dr Ndahimananjara Johanita depiote teo aloha, mbola vonona ny ho kandida izay hatolotry ny fikambanana misy azy, dia ny FIVOY izany.
Malala Didier