- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversOvec Toamasina I : Vita omaly ny ankitsapaka nataon’ireo kandida solombavambahoaka

Ovec Toamasina I : Vita omaly ny ankitsapaka nataon’ireo kandida solombavambahoaka

Natao omaly tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana araka ny tetiandron’ny vaomiera mahaleon-tena misahana ny fifidianana na ny CENI, ny nakitsapaka ho an’ireo kadida voahazona ho safidian’ny mpifidy ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 may ho avy izao ho an’ny distrikan’i Toamasina I. Miisa 12 ireo kandida voahazona ka nandritra ny antsapaka dia laharana voalohany ny lisitry ny Tiako I Madagasikara tarihan’Atoa Rakotonirina Jean Claude, faharoa ny lisitra tsy miankina Atoa Josepha, ny fahatelo misy ny kandida tsy miankina Benessy Harison Sebastien izay tsy maintsy hametra-pialana amin’ny maha senatera azy ato ho ato, fahefatra ny kandida tsy miankina Botozaza Pierrot, fahadimy misy ny kandida tsy miankina Me Tody Arnaud izay tao anatin’ny vondrona Mapar ihany saingy nisafidy ny hifaninana amin’ny mpiara-dia aminy teo aloha, fahaenina ny lisitry ny Gasy.Mi, fahafito ny tsy miankina Mamonjy Ratsimbazafy, fahavalo no misy ny Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina misy an-dRtoa Naharimamy Irma Lucien, fahasivy ny MTS misy an’Atoa Roland Ratsiraka, fahafolo ny Gasikara Antsika Rehetra misy an’Atoa Mahavimbina Alain, faha-11 ny kandida tsy miankina Ndahimananjara Johanita, ary ny farany laharana faha-12 ny lisitry ny AKFM-Fanavaozana misy ny lisitra tarihan’Atoa Rakotomalala Henri na Riribe. Nambaran’ny CENI Toamasina fa vita izay ny dingana faharoa amin’ny fanomanana ny fifidianana ka hiroso amin’ny fampielezan-kevitra ny kandida sy ny mpanohana azy ny 06 may izao ; nisy noho izany ny antso avo nataon’izy ireo amin’ny fanajana ny lalana velona sy ny fifanajana eo amin’ny samy kandida. Ankoatra izany dia naneho ny heviny tamin’ny laharana fahatelo azony ny kandida Dr Benessy Harison Sebastien, ka nilazany fa toko telo mamasa-nahandro ny isa azony ka vonona izy ny ho mendrika amin’ny haha-depiote azy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici