Ny 24 jiona 2014 izy no nisy naka an-keriny tao Toamasina i Owne Alek, teratany indopakistanais. Dimy taona aty aoriana dia tsy mbola misy mangirana ny momba azy. Tsy fantatra na maty na velona ary tsy misy pitsopitsom-baovao momba azy mihitsy na dia teo aza ny fikarohana nandeha. Feno 30 taona tamin’ny 30 mey teo izy raha mbola velona aina ary nahatsiaro manokana azy ny fianakaviany, toy ny isan-taona. Nilaza izy ireo fa mbola tsy kivy ary manainga ny olona hatrany mba hanampy azy ireo amin’ny fanomezam-baovao. Isan’ny tena mampiahiahy ny toe-pahasalaman’i Owne Alek izay tsy maintsy manao tsindrona isan’andro. Fotoana fohy taorian’ny kidnapping dia efa nisy ny vola naloan’ny fianakavian’i Owne Alek kanefa mbola tsy navotsotry ny jiolahy ny tenany. Nisy indray ny fanomezana tambin-karama ho an’izay olona afaka manome vaovao momba ity tovolahy ity. Hatreto dia nandamoka avokoa izany ary dimy taona aty aoriana dia tsy mbola hita, na maty na velona, i Owne Alek. Raha zohina ny tantaran’ny kidnapping izay nitranga teto Madagasikara dia ity Indopakistanais iray ity ihany no tena tsy navotsotry ny jiolahy ary tsy nanomezany vaovao. Nisy ny notazomina ela mba hampiakarana ny saran’ny takolon’aina. Ny an’i Owne Alek kosa dia sady nangalàna vola no tsy hita intsony izay misy azy.
D.R