Manao ny ezaka rehetra amin’ny fametrahana fahalemana ho an’ny vahoaka eto Toamasina ireo mpitandro ny filaminana, saingy tsy afa-manoatra kosa izy ireo indraindray amin’ny zava-misy sy ny fahamaroan’ny mpanao ratsy. Ho an’ny polisim-pirenena eto Toamasina izao, noho ny ezaka nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo olona tsara sitra-po mpanome vaovao azy, dia tratra ireo andian-jiolahy telo mpanendaka amin’ny Bd Augagneur, nahitana an’Ingahy isany Ramalaza, na Antonio 21 taona sy Berthin 27 taona ary Tsaravotra 20 taona, izay nanendaka ity ramatoa iray hamonjy fodiana antoandro sy ity mpiala sasatra tratra hariva andro alahady. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny basy PA kilalao fampiasan’izy ireo, sy ireo antsy be fampitahoran’izy telo lahy ny olona ravany. Raha ny fanazavan’ny polisy dia tsy ireto telo lahy ireto ihany izy ireo saingy nandritra ny fisamborana natao dia izy ireto no tratra, fa mbola misy naman’izy ireo anankiroa mbola karohina amin’ity fanendahana olona amin’ny Bd Augagneur ity. Ny olana amin’ity lalana isan’ny be mpampiasa ity dia ny fahamaizinany amin’ny fotoana hariva sy ny alina, noho ireo takamoa amin’ny andrin-jiro tsy misy mandeha na iray aza. Ankilan’izay dia tratra teo am-panaovana vaky trano tao Androranga sy Mangarivotra ihany koa ireo olona efatra ireto izay mbola niaraka tamin’ny “barre à pince” famakian’izy ireo tranon’olona. Raha ny fanazavana dia ny fiaraha-miasa matotra tamin’ireo andrimasom-pokonolona izay miantso azy ireo raha mahita tsy filaminana, no nahatrarana sy tsy nahafahan’izy ireo nitsoaka tamin’izao vaky trano izao. Ankoatra izay dia manao ezaka amin’ny fametrahana filaminana ao Mangarivotra atsimo sy avaratra, Androranga, Ambalamanasy “carreau” I sy II ary III, ary ny ao Andranomadio rehetra ny polisy, satria ireo fokontany ireo dia voasokajy ho tena mena amin’ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina ankehitriny…
Malala Didier