Tamin’ny alarobia alina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray efa tena lehibe tokoa teny amin’ny faritra Ambohimanarina. Voalazan’ny vaovao fa mipetraka irery ity olona ity. Samy gaga ny olona rehefa maraina ny andro fa tsy mbola nivoha foana ny tranony. Zavatra tsy dia mba fahita izany. Tapaka ny hevitra fa hovahana ny trano. Samy gaga ny rehetra nahita ny fatiny tsy lavitra ny varavarana. Tonga moa dia nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena akaiky ny razana dia voamarika fa nisy hafahfa ity fahafatesana ity. Manahy mafy ny rehetra fa toa nisy namono ilay rangahy lehibe.
Efa natao omaly ihany ny fitiliana rehetra ahafantarana marina izay tena fandehan-javatra. Misokatra koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
En toute discrétion, le club de natation de Saint-Michel a fait le déplacement au meeting de la Réunion du 28, 29 et 30 décembre dernier à la piscine de 25 m du Plateau de Cailloux à Saint-Paul. Avec une délégation composée de 9 nageurs et dirigée par son président Rabary Hary Jaona, le club ne rentre pas bredouille. Rabary Johanna s’est qualifiée en finale de 4 nages pour la catégorie « Benjamine » et surtout elle a remporté la médaille de bronze de 100 m 4 nages chez les benjamines. Il y a aussi la victoire de Rakotomamonjy Tiavina Sandro au 100 m papillon devant Ranto, un Malgache licencié à La Réunion et détenteur de la meilleure performance. Quant à Rasolonjatovo Heriniavo Michaël, il est l’auteur de six meilleures performances par catégorie et un record de Madagascar sur 100m dos. Rakotomavo Herinirina John a impressionné le public de Plateau Cailloux pour sa détermination au 1 500 m NL, abouti à la meilleure performance par catégorie en 18’38 »68.
Nanao fanamparam-pahefana tao amin’ny toeram-pisotroana ireo mpitandro ny filaminana roa lahy. Naka vola, nitifitra. Tezitra ny olona…
Tezitra ny olona noho ny nafitsok’ireto miaramila mitam-basy. Vao nanomboka ny taona dia efa feom-basy no niainana tao Miandrivazo ny alarobia teo, andro voalohan’ny 2014. Niditra tao amin’ny trano fisotroana ireo miaramila roa izay rehefa nohamarinina dia miasa eo anivon’ny “Détachement Autonome de Sécurité” (DAS) ao amin’ny kaominina Anosimena. Raha araka ny fitantaran’ireo olona dia noteren’ireo hanome labiera miisa enina sy vola mitentina 150.000 ariary ny mpivarotra. Tsy afa-nanoatra satria olona mitam-basy no manoloana ny tena. Efa mamo ireo miaramila ary niampy ny labiera enina, vao mainka niakatra ny toaka. Voatery natao izay sitrapon’ireo ary nomena ny vola nangatahina. Tsy nijanona teo ny herisetra fa mainka koa niiatatra : notifirin’ireo ny mpivarotra tao amin’ilay toeram-pivarotana. Olona roa no indray niantefan’ny bala. Ny iray dia vehivavy 31 taona ary lehilahy kosa ny faharoa. Raha ny fanamarihana azo hatrany dia mpihavana ihany izy ireo. Nitsoaka ireo miaramila taorian’izay saingy nanaitra ny olona ny feom-basy hany ka vetivety dia vory ny teo an-tanàna. Nivadika tanteraka ny rasa : natao ny fanarahan-dia ireo miaramila. Fotoana fohy avy eo dia voasambotry ny olona ny iray. Tezitra ireo fokonolona ka nanao habibiana tsy roa aman-tany. Notetitetehan’ireo tamin’ny famaky ilay mpitandro ny filaminana. Ilay miaramila faharoa kosa afa-doza aloha hatreto satria tsy hita ny toerana nitsoahany. Mbola mitohy manara-dia azy ny olona hatramin’ny omaly, toa ireny misambotra dahalo ireny mihitsy, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ireo naratra kosa, izany hoe ireo tompon’ny bar, dia nentina tany Antsirabe mba ho fanavotana ny ainy. Mbola mitohy ny fitsaboana azy ireo ao amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio, ao an-drenivohitry Vakinankaratra. Efa tonga aty amin’ny tompon’andraikitra ambony aty an-drenivohitra ny tatitra momba ity zava-nitranga tany amin’ny fokontany Ampihiaka, Anosimena-Miandrivazo ity. Andrasana ny mety ho fivoaran’ny raharaha.
La Commission Electorale Nationale Indépendante pour la Transition va procéder ce jour à la proclamation des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle, en son siège à Alarobia. Les derniers chiffres publiés le 31 décembre à 11h20 par la CENI-T montrent que Hery Rajaonarimampianina mène avec 2 060 241 voix obtenues, soit 53,49% contre 1 791 347 voix, soit 46,51% pour Jean-Louis Robinson. Résultats obtenus dans 19884 bureaux de vote sur 20001. Avec un taux de participation de 50,74%. Après la proclamation des résultats provisoires, la Cour Electorale Spéciale a 15 jours pour la proclamation des résultats définitifs. Au plus tard, le 18 janvier. Notons que plus d’une centaine de requêtes ont été déposées à la Cour Electorale Spéciale. Que ce soit pour les législatives que pour la présidentielle. D’ailleurs, la CES est la seule habilité à juger les contentieux électoraux.
La Confédération des Syndicats des Grands Corps de l’Etat a adressé hier une lettre aux chefs de Missions diplomatiques et consulaires ainsi qu’aux Représentations permanentes à Madagascar. Dans cette missive, les grands commis de l’Etat lance un « appel à assistance pour prévenir et éviter une nouvelle crise postélectorale à Madagascar ». Ils rappellent l’article 43 de la Feuille de route qui stipule qu’en cas de grave violation de cette Feuille de route, les partenaires de la Communauté internationale examineront la possibilité de prendre des sanctions contre les auteurs de ces violations. La Confédération fait état de diverses révélations de fraudes électorales lors des élections du 20 décembre 2013. « Cela a mis en état de grave trouble la population malgache qui, désormais se fracture en plusieurs camps au bord de l’affrontement pour défendre la transparence et la régularité de leurs votes. », souligne la lettre. Ladite lettre d’indiquer : « Après analyses des fondements et de l’objectivité des différentes contestations, leur prise en compte par les autorités en charge des élections s’avère être, à notre sens, la solution appropriée et techniquement réalisable.»
Les routes ont été presque désertes hier, même du coté d’Analakely.
Les routes ont été presque désertes hier, même du coté d’Analakely.
Des routes assez désertes. La plupart des grandes boîtes ont encore fermé leurs portes hier, pour congé annuel.
Tana a retrouvé sa place hier partout à Tana. L’on peut dire que les fêtes se sont quand même déroulées dans une ambiance sereine, sans grands incidents ni insécurité. Les Tananariviens ont effectivement mis de côté les polémiques sur la politique, malgré l’imminence de la proclamation des résultats des élections qui risquent fort d’être contestés, s’ils ne le sont déjà. Ce qui a permis à la ville de retrouver son calme. Et les premières constatations qui ont pu être faites, c’est que les routes ont été plutôt dégagées dans la plupart des rues de la capitale, y compris les lieux où même les piétons ont eu du mal à circuler avant la fin d’année. Autrement dit, les embouteillages ont été disparus, en particulier dans le centre ville, notamment vers Behoririka, Soarano, Analakely, Besarety, Andravoahangy,… En fait, les marchands de rues qui ont constitué les principales causes de ces blocages du trafic dans la ville avant et pendant les fêtes ont largement diminué. Ces derniers ont également fait du plan « Zéro embouteillage pendant les fêtes» de la CUA, un plan raté. Ainsi, le fait qu’ils ont quitté les lieux, a permis à la circulation à se fluidifier, presque partout. L’autre explication qui pourrait être également fournie à ce propos est qu’une grande majorité des gens ont dû continuer leurs jours de congé jusqu’à la fin de cette semaine, vu que les fêtes se sont passées en plein milieu de semaine. Ce qui fait déjà les usagers de la route diminuer.
Grands nettoyages. Et comme à chaque après fête, très tôt hier, des agents de la CUA ont procédé au grand nettoyage de la ville, surtout du côté de l’Avenue de l’Indépendance et de ses environs. Ces derniers ont été effectivement assistés de près par les soldats des feux pour le balayage des saletés difficiles à enlever. Cependant, il faut dire qu’il n’est pas facile de ne pas parler des ordures qui débordent encore à chaque coin de rue de Tana. Le malheur de la CUA. En somme, la vie des Tananariviens a repris sa tournure habituelle depuis hier après les quelques jours de fêtes. Même le marché hebdomadaire de Mahamasina chaque jeudi a repris, mais sûrement avec un bilan assez négatif.
Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny tompon’ilay fiara izay nirehitra tetsy Ambodivona ka simba tanteraka. Nosamborina ireo mpanao “échappement” telo lahy vokatr’izany ary natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Hatreto mantsy dia ny tsy fitandreman’ireo mpanamboatra fiara ireo no anton’ny nahatonga ny loza. Akain’ny fitoeran-dasantsy mantsy no misy ilay notohizana tamin’ny “soudure”. Niitatra nankany ny tselatr’afo ka nahatonga ny firehetana izay vetivety foana dia naha-kila ny fiara, marika Peugeot 304. Mahay ary tena mahay ny mpanao asa tanana Malagasy. Betsaka ny olona no tena variana amin’ny fahaizan’ireo manamboatra ireny “pieces” tsy misy raha tsy afarana ireny. Saingy ny indro kely dia eo amin’ny famaranana ny asa hatrany. Matetika fa fanahy iniana tsy atao harifomba tsara ilay fanamboarana mba hiverenan’ny tompon’ny fiara tsy ho ela indray. Dia amin’izay miverimberina ihany koa ny fanateram-bola ka tsy tapaka mihitsy ny asa. Eo avokoa matetika no mampimenomenana ny olona amin’ny raha ny momba ny fanamboarana fiara. Tsy afa-manoatra anefa satria raha miala amin’ireny dia volabe avy hatrany no alain’ny garage mba tsaratsara. Vokany, lasa vitavita tsy amin’ny araky ny tokony ho izy ny fiara maro eto an-drenivohitra. Betsaka ny manary an-dàlana ka miteraka fitohanan ‘ny fifamoivoizana. Ao ihany koa ny mirehitra sy miteraka lozam-pifamoivoizana mihitsy. Ho an’ity tranga tetsy Ambodivona ity aza moa, vao teo am-panaboarana dia efa rotiky ny afo…
Nilamina amin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny krismasy raha ny teto Antsirabe. Tsy toy mpitranga matetika rehefa andro fety ny zava-niseho raha ny tatitra azo tamin’ireo toeram-pitsaboana nandalovana. Saika nihena avokoa ireo tranga mateti-piseho raha ny fanazavana. Olona telo no niditra hopitaly tao amin’ny hopitaly Andranomadio ny 31 desambra 2013 ka ny roa no fantatra fa mamo sy nianjera tamin’ny bisikileta. Olona iray kosa no voatsindrona antsy tao amin’ny lamosiny fa niady. Nahatratra dimy kosa ny niditra hopitaly ny 1 janoary 2014, telo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamina bisikileta sy fiara. Dimy ihany koa no niditra hopitaly tao amin’ny hopitaly Atsimo CHRR ny 31 desambra 2013, telo vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara- pahasalamana, ka ny iray no tena voa mafy noho ny fahataran’ny fitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Roa naiditra hopitaly ny taom-baovao, olona iray hafa naratra vokatry ny ady. Miisa efatra no naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany, tao amin’ny hopitaly Atsimo ka vehivavy ny iray. Iray monja tamin’ity taom-baovao ity no tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroana be loatra teto Antsirabe, avotra soa aman-tsara anefa ny ainy rehefa nahazo ny fisaboana sahaza azy.
Guanomad, une entreprise malgache, a gagné le prix de la PME la plus performante et la plus prometteuse en Afrique, en 2013.
Guanomad, une entreprise malgache, a gagné le prix de la PME la plus performante et la plus prometteuse en Afrique, en 2013.
Cinq entrepreneurs seront encore récompensés par les Prix pour l’Entrepreneuriat en Afrique (AAE 2014). Ce concours annuel lancé en 2007 vise, en effet, à reconnaître les chefs d’entreprises faisant preuve d’innovation, de performance dans la rentabilité et d’excellence en affaires, tout en servant de modèles pour inspirer la prochaine génération d’entrepreneurs. Rappelons que l’année dernière, la firme malgache Guanomad, a été promue PME la plus remarquable et prometteuse du continent africain, dans le cadre de l’AAE 2013. Espérons qu’une autre entreprise de la Grande Ile remportera encore le grand prix cette année. Depuis sa création, l’AAE a déjà enregistré la souscription de plus de 7000 entreprises africaines et a déjà attribué des prix d’un montant total de 1,5 millions USD à 30 entreprises de premier plan.
Cinq catégories. Selon le stade du cycle d’entreprise, cinq prix reconnaissent les entrepreneurs du continent. Le premier concerne le Lifetime Achivement Award, décerné à un chef d’entreprise senior qui a servi comme une icône d’entreprise pendant plusieurs décennies et a laissé un héritage durable de succès. Le deuxième se porte sur la Transformation d’attribution d’affaires attribué à un chef d’entreprise remarquable qui a créé un impact socio-économique en Afrique en créant une entreprise avec des revenus de plus de 50 millions USD. Le troisième est un prix de 100 000 USD dédié à un opérateur pour son entreprise mature ayant une bonne performance sur le marché. Le quatrième, un prix de 50 000USD pour une petite entreprise en pleine croissance. Et enfin le cinquième prix de 50 000USD sera décerné à un organisme qui fait preuve d’innovation et d’esprit d’entreprise exceptionnel tout en répondant de manière durable au développement socioéconomique des communautés à faible revenu. A noter que l’Africa Awards Entrepreneurship 2014 est ouvert aux entrepreneurs opérant sur le continent africain et dirigeant une entreprise avec un revenu de plus de 150 000 USD par an pour les entrepreneurs sociaux et plus de 500 000 USD pour les autres catégories. Bref, la participation des entrepreneurs malgaches est vivement souhaitée.