- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPaik’adin’ny zandarimariam-pirenana : Tsy hitsitsy ireo mpanampatra fahefana, ireo mpifehy

Paik’adin’ny zandarimariam-pirenana : Tsy hitsitsy ireo mpanampatra fahefana, ireo mpifehy

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimarim-pirenena. Paik’ady vaovao sy baiko nomen’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ho famerenena indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ireto vondrona mpitandro filaminana ireto sy ho ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tany amin’iny faritra Bongolava iny no notsidihan’ireo tompon’andraikitra ambony. Ny tao amin’ny kaompania Fenoarivobe manokana dia fantatra efa nisy ny fanadiovana teo anivon’ny vondron-kery ity. Etsy andanin’izay dia tsy hitsitsy ihany koa ireo mpifehy ho an’ireo zandary izay mbola zatra manao lalan-dririnina amin’ity fanamparam-pahefana sy fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka.  “Nisy laharana finday maromaro nozaraina tamin’ireo mponina mba hiantsoan’izy ireo avy hatrany raha misy tsy fahafaham-po na zavatra tsy mety hitan’izy ireo ataon’ny zandary” hoy ny fampitam-baovao. Marihana fa saika misy fihaonana amin’ireo olom-boafidy sy olom-panjakana any amin’ireo faritra ireo foana ireto tompon’andraikitra ambony ireto amin’ny fidinany ifotony toa izao. Samy mahatsapa avokoa rehetra fa tena ilaina ity fitsirihana ny zava-misy eny amin’iny fiaraha-monina ity, indrindra fa amin’ireto faritra voalaza fa lavitra andriana, ahafahana manomana tetik’ady manokana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana manjaka amin’ireny faritra ireny. Maniry ny hitohizan’izany matetika moa ireto vahoaka sy ny olom-boafidy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici