Pôlisy manodidina ny 3000 any ho any no aparitaka mandritra ity fetin’ny Paka ity, araka ny filazan’ny Tale Jeneraly vaovao eo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police Rakotozanany Dany Maruis, izay vao voatendry sy nandray ny asany. « Fepetra telo lehibe no nambarany ho an’ny be sy ny maro sy ho an’ny Polisim-pirenena manontolo ho enti-miatrika am-pilaminana ity fetin’ny Paska 2019 ity », hoy ny vaovao. Voalohany amin’izany ny fitohizan’ny asa fanabeazana ny olom-pirenena ataon’ireo pôlisy. Izany dia mba hahafahan’ny tsirairay avy mahalala ny andraikiny ao anatin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeany. Faharoa, ny fandraisana fepetra manokana eo anivon’ny pôlisim-pirenena amin’izao an-katoky ny fetin’ny Paka izao, entina hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, fa indrindra ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ary ny farany, dia ho hentitra ny Polisim-pirenena amin’ny fampanajana ny fitsipika rehetra sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana mandritra izao vaninandrom-pety izao. Nampahafantatra ihany koa ity Tale jeneralin’ny Filaminam-bahoaka vaovao ity fa hatao tsara ambina avokoa ireo toeram-pivavahana rehetra an-tanan-dehibe mandritra ny herinandro masina sy ny alahadin’ny Paka. Hanemitra ny arabe sy ireo toeram-pitsangantsangana ary ireo toeram-pilanonana isan-karazany sy izay faritra mahavory olona betsaka ihany koa ny pôlisy ny alatsinain’ny Paka. Nangataka koa izy mba haneken’ny tsirairay avy ny fandaminana rehetra apetraky ny Polisy mba ho Paska hieren-doza tokoa ny amin’ity taona ity. Aoka mba ho samy ho tompon’andraikitra ny tsirairay, hoy izy.
m.L