dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversPaka teto Tanà : Nahatratra 45 ireo tontakely voasambotry ny pôlisy

Paka teto Tanà : Nahatratra 45 ireo tontakely voasambotry ny pôlisy

Mazàna tokoa rehefa mifety ny olona dia mifety torak’izany ihany koa ireo tontakely, manao izay tratry ny heriny mihitsy amin’ny fanaovana ny asa ratsiny. Soa ihany anefa, mbola misy ihany koa ireo mpitandro filaminana. Raha ny teto an-drenivohitra manokana, dia fantatra fa tontakely mahery ny efapolo tany ho any no voasambotra ny alahady sy alatsinainin’ny Paka lasa teo. Saika mpanendaka sy mpifoka rongony avokoa izy ireo.

Nentina nitandroana izay fandriampahalemana nandritry ny fety izay tokoa dia voalaza fa pôlisy manodidina ny 1415 tany no naparitaka teto an-drenivohitra, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Nahitàm-bokany tokoa izay satria dia azo lazaina fa nilamina amin’ny ankapobeny ireo roa andro nentina nankalazana ny Paka. Nisy ihany tsindraindray ireo resaka fanendahana mpivavaka sy mpitsangatsangana kanefa saika voasoroka sy voasambotra avokoa ireo olon-dratsy nanao izany. Ho an’ny kaomisaria Ambohijatovo dia miisa dimy ireo olona voasambotra ka ny iray, tratra teo am-pangalarana, raha ny efatra kosa dia nahatratrana zava-mahadomelina sy nifoka rongony. Ny tao Antaninandro kosa indray dia dimy ihany koa ireo voasambotra, samy mpanendaka sy mpangalatra avokoa. Mpanendaka iray ihany koa no voasambotra tetsy Isotry. Torak’izany ny teny Mahamasina, efatra ireo tontakely tra-tehaka, ary nisy mamo an-dalambe niisa telo kosa voatery nampidirina « violon ». Ny teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny 67ha, dia nahatratra sivy ireo olona voasambotr’izy ireo : dimy mamo an-dalambe, telo mpangalatra sy mpanendaka, ary ny iray olona iray nanakorontana tao anaty taxibe. Saika mpidoroka zava-mahadomelina kosa no betsaka tratra tetsy Analamahitsy. Nahatratra valo izy ireo.  Nisy kosa ireo olona nopaingorin’ireo hery vonjy taitran’ny kaomisaria tetsy Tsaralalàna noho ny resaka fisolokiana. Tany amin’ireo kaomisaria manodidina moa, ny tetsy Avaradrano sy Atsimondrano, raha ny fampitam-baovao dia nisy olona roa nosamborin’izy ireo noho ny resaka zava-mahadomelina.

Marihana fa efa nandritry ny herinandro mialohan’ny fety iny no efa nahetsika ireo mpitandro filaminana teto an-drenivohitra. Efa nisy ny vokatra azo notsapain-tanana tao anatin’izay satria efa tafakatra hatrany amin’ny 181 tany ireo olona nosamborina tao anatin’izay, teto an-drenivohitra. Ankoatr’izay, « eo amin’ny lafiny lozam-pifamoivoizana indray dia miisa fito no tranga hita nandritra ny fetin’ny paska sy ny alatsinainin’ny paska ka nahafatesana olona iray,nandratrana olona dimy. Ny iray tamin’ireo dia vokatry ny fahamamoana be loatra. Mpamily iray kosa no nandositra taorian’ny loza nataony », raha ny tatitra azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici