Nampiantso mpanao gazety ny OMC ny alatsinainy misandratra andro teo, izay notarihan’ny prefen’i Toamasina sy ny tonia mpampanoa lalana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ary ireo telo lahy lehiben’ny fitandroana ny filaminana. Nandritra izany no nilazan’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary ao Toamasina, izay sady lehiben’ny OMC, fa 600 ireo mpitandro filaminana, zandary – miaramila – polisy, hahetsika ny faran’ny herinandron’ny pantekosta izao. Ny tanjona amin’izany, araka ny nambaran’ny prefen’i Toamasina, dia pantekosta hieren-doza, sy filaminan’ny tanàna. Ao anatin’izay dia hisy ny fisavana ataon’ireo mpitandro ny filaminana amin’ireo fiara eny amin’ny lalam-pirenena sy eny an-dalana amin’ireo mpamily misotro alikaola sy midoroka zava-mahadomelina. Eo amin’ny Tuc-Tuc sy ireo moto kosa dia hisy ny fanaraha-maso amin’izay mandeha mafy, sy manao taingim-be tsy mifanaraka amin’ny « cahier de charge », ary ireo kodiaran-droa tsy mampiasa aroloha. Ankilan’izany dia manao antso avo ny ekipan’ny OMC amin’ireo mpitsangantsangana milalao rano, ka ho an’ireo mpilomano mahaiza manaja ny fadin’ny tany, sy manaja ireo faritra tsy azo ilomanosana. Ankoatra izany dia miantso ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiandrasana ny tanàna ataon’ireo tokantrano mpitsangantsangana, sy fiangavina ny rehetra amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra. Entanina ny rehetra ao anatin’izany mba hanaiky ny fandaminana apetraka, satria natao handamina ny olana misy ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier