Izay tao anatin’ny tantaran’ny trangam-piaraha-monina vao nisy fisamborana mpitsara sy manamboninahitra ambonin’ny pôlisy ary nampahafantarina ny besinimaro. Ny sampana seraseran’ny zandary no nizara ny vaovao sy nanome ny sary ho an’ny mpanao gazety. Tsy sanatria fampiadiana ny sehatra (corps) tsirairay avy fa kosa tsy azo ihodivirana ny fahasahian’ny zandary nanatontosa ny asany tamin’ity indray mitoraka ity. Misy hatrany mantsy ny sakana rehefa mpiasam-panjakana ambony no iharan’ny fanadihadiana, indrindra ny mpitsara sy ny mpitandro ny filaminana. Ao ny fiheverana hoe tsimatimanota ny mpitsara satria izy no mibaiko ny mpitandro ny filaminana amin’ny resaka fanadihadiana. Ao koa ny hoe sao iharan’ny valifatin’ny vondrona misy ilay mpitandro ny filaminana raha sanatria ka samborina izy dia anokafana fanadihadiana. Saingy ity tranga iray ity dia manaporofo fa misy ny sahy ary ao amin’ny zandary izany. Ny borigadin’Ambatomirahavavy no nisahana ity raharaha ity ary novitainy hatramin’ny farany ny paik’adim-pitsarana rehetra. Pao-tsatroka.
D.R