samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-Divers« Paramed » novonoina :  Nosamborina ny vadin’ny dokotera iray

« Paramed » novonoina :  Nosamborina ny vadin’ny dokotera iray

Nanomboka ny fisamborana ao Mahajanga, mahakasika ilay fahafatesan’ny tovovavy iray izay mpitsabo mpanampy nianatr’asa teo anivon’ny toeram-pitsaboana iray ao an-toerana. Raha tsiahivina dia hita faty tao anaty gony io tovovavy izay antsoina hoe Elisabeth io. Novonoina dia nofatorana tao anaty gony ary narina teny amoron-dranomasina. Hatreo dia tsy mbola fantatra izay mety ho nahavanon-doza. Niainga tamin’ny hafatra miafina avy amin’olona no nahitàn’ny mpanao fanadihadiana irika amin’izay mety ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity. Rehefa nandeha tokoa ny famotorana dia voarohirohy mafy ny vadin’ny mpitsabo iray ao an-toerana. Ilay rangahy dia mety ho nisy fiarahana tamin’i Elisabeth ary ahiana ho niteraka lonilony tamin-dramatoa vadiny izany raha arak’ilay hafatra miafina. Niainga tokoa ny fanadihadiana izay tonga hatrany anaty hotely. Nisy vatan-dehilahy voasambotra ary ahiana ho nokaramaina hamono ilay tovovavy. Isan’ny nosamborina koa ilay ramatoa vadin’ilay dokotera.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici