- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilParenthèseParenthèse : Taxi-Moto : Fampandrosoana sa loza mitatao ?

Parenthèse : Taxi-Moto : Fampandrosoana sa loza mitatao ?

“Tena mamono olona rangahy  ilay môtô a!” Hoy ny fanehoan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena iray nahita loza nitranga teny amin’ny arabe. Tsy zoviana intsony fa lasa naka toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fitaterana eto Madagasikara ny taxi-moto, indrindra eny amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo, Toamasina, Mahajanga ary Toliara. Raha toa ka manampy amin’ny famahana olana ara-pitaterana sy manome asa ho an’ny tanora maro, tsy azo odian-tsy hita kosa ny fiantraikany ratsy : lozam-pifamoivoizana maro, faharatsian’ny filaminana eny an-dalana, ary olana eo amin’ny fanarahan-dalàna.

Tsy voaisa intsony ireo môtô mivezivezy manerana ny tanàna, izay mitondra olona, na mitatitra entana. Mora vidy, kely solika, ary afaka miporitsaka eny an’elanelan’ny fiara : tsy mahagaga raha nanjary safidy ho an’ny maro ! Saingy io fiamaron’ny taxi-moto tampoka io, dia tsy narahina rafitra mazava avy amin’ny fanjakana, ka nanokatra vavahady ho amin’ny loza.

Araka ny tatitra navoakan’ny polisy misahana ny fifamoivoizana tamin’ny fiandohan’ny taona, mihoatra ny 50 % ny môtô no voakasika amin’ny loza an-dalambe eto an-drenivohitra, na niharan-doza na amin’ny naha-nahavanon-doza azy. Ny ankamaroan’ireo dia mpamily tsy manana taratasy ara-dalàna, na tsy manao fitaovana fiarovana, indrindra ny aroloha.

Maro amin’ireo mpamily môtô no tsy mahafantatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ary tsy mandalo fiofanana na fitsapana mialoha. Raha tokony ho vahaolana ara-toekarena sy sosialy ho an’ny tanora ny taxi-moto, lasa miteraka fahasahiranana ary mitera-doza.

“Tokony hohadihadiana sy hasiana lalàna mazava fa tsy azo avela ho kisendrasendra toy izao,” hoy Rakoto Jean, ray aman-dreny monina eny amin’ny faritra Andavamamba, izay efa very zanaka lahy vokatry ny loza nitranga tamin’ny taxi-moto tapaka hisatra.

Efa misy ezaka avy amin’ny kaominina sy ny fiadidiana ny faritra sasantsasany amin’ny fanomezana karatra na fanara-hamaso. Saingy mbola lavitra ny lalana. Manoloana ny fitomboan’isan’ireo môtô sy taxi-moto, dia ilaina ny:

– Fanomezana fahazoan-dàlana manokana ho an’ny mpamily (permis A) sy fanofanana fototra.

– Fisoratana anarana sy fankatoavana avy amin’ny kaominina.

– Fameperana sy fanaraha-maso ny faritra azo iasàna sy ny ora iasana ihany koa.

– Fampitaovana sy fanabeazana amin’ny fiarovana (casque, veste fluorescente, sns).

Tsy misy manohitra ny fiveloman’ny tanora sy ny fandrosoana amin’ny fomba mitondra vahaolana haingana, fa tokony ho anaty rafitra mazava sy azo fehezina, mba tsy hanjary loza mitatao amin’ny fiarahamonina manontolo.

Feo avy etsy sy eroa : Vavolombelona manoloana ny zava-misy mahakasika ny taxi-moto

• Lova, 25 taona, mpamily taxi-moto any Toamasina

“Izahay koa miezaka mitady fivelomana”

Nidram-bola aho ary nividy moto atao taxi-moto. Ampiasaiko isan’andro ary io no mba fidiram-bola kely hivelomako. Eny, fantatro fa tsy manara-dalàna tsara daholo izahay rehetra, fa iza no hanome anay taratasy? Mbola miady amin’ny vary sy menaka isan’andro, ka hisy ve ny vola atokana hakana permis ? Raha misy fiofanana sy fahazoan-dàlana mora azo, tena vonona aho.”

• Sahondra, 34 taona, renim-pianakaviana, Antananarivo

“Izaho sy ny zanako no saika namoy aina”

Efa matetika aho no mandeha taxi-moto, haingana sy tsy dia lafo. Fa indray mandeha, nandeha mafy kanefa tsy mahay mamily ilay nitondranay. Efa niteny azy ihany aho hoe « ento mora re » saingy novaliany fotsiny hoe, « tsy misy olana e ! ». Kinanjo, nianjera izahay ary naratra mafy ny zanako. Tsy nisy nandray andraikitra fa izahay tra-doza no voatery nikarataka”.

• Dr. Hery, mpiasan’ny hopitaly lehibe iray, Antsirabe

“Androany dia efa maro no naratra tamin’ny taxi-moto”

Isan’andro, mpandeha sy mpamily taxi-moto mitondra ratra mafy no tonga eto amin’ny urgences. Efa mahazatra. Mety fahavakisan-doha, tapaka tanana, na faharerahana taorian’ny dona mafy. Ny ankamaroany tsy nanao casque”. 

• Inspecteur R., polisy misahana ny fifamoivoizana, Mahajanga

“Izahay manenjika, fa ny rafitra no tsy ampy”

Efa misy fepetra raisina, toy ny fakana taxi-moto tsy ara-dalàna sy sazy amin’ny tsy fanaovana “casque”. Fa an-jatony maro izy ireo, tsy voafehy intsony. Raha tsy ampiarahina amin’ny fandraisana andraikitra avy amin’ny kaominina ary koa fanentanana, dia tsy hahavita irery izahay”.

• Andriamatoa Feno, mpiandraikitra ny fitaterana ao amin’ny Kaominina iray

“Vonona izahay hanara-dalàna, fa mila fanohanana”

Efa nisy ny fisoratana anarana ho an’ireo taxi-moto, sy fizarana karatra tsirairay. Saingy tsy ampy mpiasa, tsy ampy fitaovana. Tsy maintsy miara-mientana isika: governemanta, polisy, tompon’andraikitra ary ireo mpamily ihany koa”.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici