- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversPasipaoro sy visa sandoka : Komoriana sy Djibotiana naiditra am-ponja

Pasipaoro sy visa sandoka : Komoriana sy Djibotiana naiditra am-ponja

Teratany djibotiana iray no nosamborin’ny pôlisy noho ny fampiasana pasipaoro sandoka. Mbola mpianatra izy io ary mitondra ny anarana Samatar Abdo Ahmed, 25 taona raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny fiambenana ny atitany. Tratra teny aminy ny pasipaoro efa lany visa kanefa mbola nampiasainy rehefa nisy “visa de séjours” sandoka. Rehefa voasambotra izy ary nohadihadiana dia navoakany tamin’izay ny anaran’ny teratany komoriana izay nolazainy fa namboatra io pasipaoro sy visa sandoka io. Nivoaka tsikelikely ny marina ka fantatra fa efa hatramin’ny taona 2011 io farany no nanomboka nanao asa fivelomana amin’ny fanaovana pasipaoro sandoka. Aboubacar Ali na Abou ny anarany ary 35 taona izy, raha araka ny fanamarihan’ny pôlisy hatrany. Vola 200.000 ariary no alainy amin’ireo olona mitady ireo antontan-taratasy. Misy fitombokase ary hatramin’ny anarana sy ny Sonia – mazava ho azy fa sandoka – an’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny atitany aza dia ao anatin’ilay pasipaoro. Ity tranga ity dia manaporofo fa tsy any ivelany ihany fa eto Madagasikara ihany koa dia misy ireny atao hoe “clandestin” ireny. Deraina ny hetsika fijirihina ataon’ny pôlisy misahana ny atitany toa izao satria tsy sanatria toeram-pamaharan’ireo vahiny tsy manara-dalàna akory ny nosintsika…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser