- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : Bala telo no niantefa teo amin’ny fiarany

Pasitera Benjamina : Bala telo no niantefa teo amin’ny fiarany

Manondro ny fiantefan’ny bala tamin’ny fiarany izy.
Manondro ny fiantefan’ny bala tamin’ny fiarany izy.

« Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany, ny alin’ny alatsinainy teo no nisy nitifitra tampoka ny fiara nentiko teo Avarabohitra-itaosy” raha araka ny fitantaran’ny Pasitera Benjamina. Izy nijanona teo amoron-dàlana ary niampita nandeha an-tongotra teo amin’ny ilan’ny arabe ka nivalan-drano no nisy nanararaotra nitifitra ny fiara nentiny, raha araka ny fanazavany hatrany. Bala telo no hita niantefa tamin’ilay fiara ary tanteraka hatrany aloha izany. Raha nisy olona tao anatin’ny fiara tamin’io fotoana io dia inoana marimarina fa tsy velon’aina, raha nifanandrify tamin’ny lalan’ny bala. Tifitra nisesisesy no henon’ny olona teo amin’ny manodidina, indrindra ireo mpiambina ny “barrière” izay nipetraka teo Avarabohitra. Nilaza ireo fa môtô cross iray no hitan’ireo nitsoaka be raha vao vita ny tifitra. Tsy voamarika kosa ny isan’ny olona, satria tanatin’ny haizina no nisehoan’izany rehetra izany raha araka ny fanazavan’ireo vavolombelona hatrany. Ny Pasitera Benjamina kosa indray, raha vao hitany fa lasa ireo nikasa hifofo ny ainy, dia nizotra avy hatrany tany amin’ny zandarimaria Ankadilàlana ny làlany. “Nataoko izay hahatongavan’ny fiara tao amin’ny toby na vaky voatifitry ny basy aza ny kodiarana” hoy io farany. Tao dia nalefa tany amin’ny borigady Itaosy izay nametrahany ny fitoriana “contre X” rahateo ny tenany. Omaly maraina no nipetraka ny antontan-taratasy mahakasika izany ary nampiarahiny tamin’ny kopian’ny “plainte de reserve” izay efa napetrany teny anivon’ny mpitandro filaminana talohan’izao trangan-javatra izao. Misy ifandraisany amin’ny raharaham-pitsarana izay mandeha amin’izao fotoana ve ity fikasan-dratsy hifofo ain’olona ity? “Manahy aho fa misy ifandraisany. Manarak’izany, fotoana fohy talohan’izao dia efa tsy mijanona mihitsy ny fandrahonana ho faty ahy, ny ompa variraraka sy ny hafa. Saingy tsotra ihany ny avaliko ireo mitady hanao ratsy amiko : tsy tokony amin’ny alàlan’ny hetsika toa izao no atao amin’ny mpitory ny filazantsara” raha araka ny hevitr’ity mpitarika fiangonana ao amin’ny FTJS7 ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser