- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : Hetsika lehibe amin’ny asabotsy izao

Pasitera Benjamina : Hetsika lehibe amin’ny asabotsy izao

Mila mazoto, manana moraly ambony sy feno fahavitrihana vao afaka mandeha tsara ny taona  hodiavina. Ny olana eto amintsika anefa dia matetika rehefa ankatoky ny fanadinana,ho an’ny mpianatra, na koa handray fanapahan-kevitra lehibe, ho an’ny olon-dehibe, vao mahatsiaro mivavaka. Torak’izany ihany koa, rehefa mikorontana ny tokantrano na ny asa izay vao miangavy amin’Andriamanitra. “Izany fanao izany indrindra no nahatonga anay hikarakara ny hetsika, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena amin’ny asabotsy ho avy izao. Mifanandrify indrindra amin’ny fidiran’ny mpianatra ny vanim-potoana ankehitriny ary izahay ihany koa dia nanapa-kevitry ny hankalaza ny fidirana ôfisialy (rentrée solennelle) saingy amin’ny endrika masina” raha araka ny fanazavan’ny Pasitera Benjamina. Mila omanina ny fandaharan’asa mandritra ny taona ary izany dia entina am-bavaka mba ho tanteraka amin’ny antsakany sy andavany ho an’ny tsirairay avy. Ny tanjona kendrena dia ny hanovana ny toetra mba hahafahana bebe kokoa miatrika ny fiainana isan’andro ary izany dia hisian’ny valiny mety sy mahafa-po ho an’izay manankim-po amin’Andriamanitra. Tsy pôlitika velively no atao fa fitaizana ara-panahy mba hiteraka fanovana ho an’ny Firenena sy ny olona ao aminy mba hiadanan’ny tsirairay avy amin’izay tandrify azy. Ny Fiangonana FMFOI izay tahiriko izany dia miditra an-tsehatra tanteraka amin’ny fampivoarana ny hita maso sy ny olombelona eto Madagasikara”, raha araka ny fanazavan’ny Pasitera hatrany.

r.f

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici