- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : Nahazo fahafahana madiodio tany Fianarantsoa

Pasitera Benjamina : Nahazo fahafahana madiodio tany Fianarantsoa

Afaka madiodio ny Pasitera Benjamina. Izay no didim-pitsarana nivoaka tany Fianarantsoa, mahakasika ny fanalam-baraka sy fisolokiana izay nanenjehana azy. Nanome ny heviny avy hatrany ity mpitarika ny fiangonana FTJSa7 ity : “ afaka madiodio aho teto Antananarivo tamin’ny volana aogositra, mbola afaka ihany koa aho izao. Amiko, voaporofo izao fa tsy ny fanaovan-dratsy no nitondra ahy tany am-ponjan’Antanimora nandritra ny dimy andro, fa ny fanaovako ny asa fitoriana ny filazantsaran’Andriamanitra kosa. ” Nasiany teny ihany koa ny momba ireo olona nanenjika azy tao anatin’ny raharaham-pitsarana roa tonga. “Mipetraka amin’ny toerana maha-ray aman-dreny aho no sady mpitari-piangonana ihany koa. Entiko hanazavana izany fa, tsy manana alahelo na amin’iza na amin’iza izay mety ho nanenjika ahy aho. Tsy voasoratra ao anatin’ny baiboly Kristiana rahateo ny valifaty” hoy izy manazava ny heviny. Raha tsiahivina dia nanaiky ny fampihavanana izay nataon’ny mpanelanelana ny roa tonta, na dia mbola nandeha aza ny raharaham-pitsarana. Raha ny filazan’ny Pasitera Benjamina, dia nitohy tsy nijanona ny asa fitoriana rehetra izay efa natombony 17 taona lasa izay, na dia teo aza ireny sakantsakana nataon’ny sasany ireny. “Vao mainka aza mampirisika ny mpino hiditra lalindalina kokoa amin’ny asa fitoriana ny zava-nisy, satria mitontona tsara amin’ny tarigetran’ny fiangonana dia ny hoe : tsy maintsy tafita ny fahamarinana” raha ny fanazavana azo teo anivon’ny FTJSa7. Niverina avokoa ny fiainan’ny fiangonana amin’ny andavanandro ary torak’izany ihany koa ny asa manodidina an’izany. Isan’ny voamarika ny fandehanan’ny fandaharana Apokalips’Apostolika izay entanin’ny Pasitera Benjamina amin’ny alatsinainy hoavy izao ao amin’ny FM-Foi.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser