- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : “Nanala devoly maro nandritra ny famonjana tao Antanimora”

Pasitera Benjamina : “Nanala devoly maro nandritra ny famonjana tao Antanimora”

Tsy nitazam-potsiny aho fa nanao ny asa famonjena nandritra ny fidirako am-ponja tao Antanimora, raha araka ny fanazavan’ny Pasitera Benjamina omaly, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy tetsy amin’ny Motel Anosy. “Marobe ny devoly nesoriko tao Antanimora ary nidera ahy ireo voafonja noho izany, satria tsy matory andro aman’alina izy ireo vokatry ny asan’ny ratsy” hoy ihany ity mpitarika ny fiangonana FJTSA7 ity. Mahakasika ny raharaham-pitsarana indray dia nanazava izy momba ny anton’ny fitoriana azy : “olona nesorina teo anivon’ny fiangonana rehefa tsy nifanaraka intsony ny fifampitondrana no nitory. Teo amin’ny fampianarana no tena tsy nitovian-kevitra, ka nahatonga ny fisarahana. Taty aoriana anefa dia natao avokoa izay fomba nilàna vaniny anay, isan’izany ny hoe nanalabaraka, nanao fisolokiana ary nikasi-tànana. Raha ny marina dia niainga tamin’ny fanomezan’ireo olona ireo ny tany izay misy ny fiangonana any Fianarantsoa ny olana. Rehefa niala izy ireo dia nalainy indray ny trano sy ny tany” hoy ny Pasitera Benjamina. Ankehitriny dia misy “scéllé” ilay toerana ary hivoaka ato ho ato ny didim-pitsarana mahakasika an’izany. Mahakasika koa ny fangatahanay ny hanala io “scéllé” io ny didy. Ankoatr’izay dia amin’ny 28 no hivaly ny didy momba ilay fiangonana sy ny tany. “Hitovy tadin-dokanga ve ny mpitsara eto an-drenivohitra sy ny any Fianarantsoa? Mihodidina eo ankehitriny ny fanontaniana, saingy matoky tanteraka ny fitsarana izaho sy ny oloko (miisa 15.000) eo anivon’ny fiangonana. Izahay rahateo dia isan’ny mpitory ao anatin’ity raharaha ity”, hoy hatrany ny Pasitera Benjamina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser