- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : Nivoaka ny fonja, voasazy 3 volana sazy mihantona

Pasitera Benjamina : Nivoaka ny fonja, voasazy 3 volana sazy mihantona

Omaly no nivoaka  teny amin’ny Fitsarana Anosy  ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha nahavoarohirohy ny pasitera Benjamina  manoloana ireo mpiray finoana aminy teo aloha. Fantatra fa nivoaka ny fonja ilay pasitera. Voasazy telo volana, sazy mihantona sy handoa lamandy izy.  Tamin’ireo zavatra telo niampangana azy dia nosazina izy ho nanao herisetra sy hetraketraka. Afaka indray anefa tamin’ny fonononana ozona sy fanalana baraka.

Tsiahivina fa notorian’ny mpira-mivavaka amin’ny ity pasitera ity noho ireo zavatra telo loha niampangana azy ireo, ka anisan’izany ny olana teo amin’ilay trano tany Fianarantsoa natao hivavahana, izay nolazainy fa azy. Nihazakazaka ny rahahara ary niafara tamin’ny fitazonana vonjimaka azy teny am-ponja tamin’ny herinandro lasa teo.  Tonga marobe teny Anosy ireo mpomba azy, tetsy andaniny, sy ireo izay nitondra ny raharaha teny amin’ny tiribonaly. Samy nanana ny fandraisany ny didy nivoaka izy ireo ary samy nampiseho ny fihetsehampony araka izany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser