Omaly no notsaraina teny amin’ny tiribonaly Anosy ny raharaha mahavoarohirohy ny pasitera Benjamina ao amin’ny fiangonana misy azy. Nangataka fahafahana vonjimaika izy nefa moa dia tsy nomen’ny Fitsarana azy izany. Amin’ny alatsinainy izao no hivoaka ny didy. Zavatra telo loha no iampangana azy : herisetra ara-tsaina, Fisolokiana sy hosoka ary fanozonana. Ireo nanatrika ny fizotran’ny fitsarana dia samy nilaza fa niteny ity pasitera ity fa nanao izany hozona izany tokoa. Tamin’ny alarobia no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ity pasitora ity. Rehefa avy nohenoin’ny mpitsara izy momba ireo fiampangana marobe ireo dia nalefa vonjimaika teny Antanimora. Ny tena mampifanditra azy amin’ireo olona mpiray finoana aminy dia ny resaka trano naorina tany Fianarantsoa, izay nolazain’i pasitera fa azy. Tsy nanaiky izany ireo olona nanorina ny trano, izay manana ny taratasy ara-dàlana, hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’ir.s.