- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireHalatra moto : Pasitera sekta nosamborina

Halatra moto : Pasitera sekta nosamborina

Feno moto halatra tao an-tranony

Tratra tao aminy ny vatan’ny kodiaran-droa izay very. Misy ampahany amin’ny piesin’ilay moto koa efa nateriny tany amin’ny mpandoko mba hahafahana manova ny endriny. Niainga teo ny fisamborana rehefa nisy nahita izany tao amin’ny trano fandokoana. Nosamborina ny moandoko izay nilaza avy hatrany ny mpanarama azy. Teo no nivoaka ny momba an’ilay pasitera an’ny fiangonana zandriny iray ao Fianarantsoa. Natao ny fangatahana tamin’ny fampanoavana mba hahafahana misava ny tranony. Inona tokoa fa saron’ny zandary misahana ny heloka bevava ao Fianarantsoa tao avokoa ny momba ilay moto, hatramin’ny vatabeny. « Ny talata lasa teo dia tonga nametraka taratasy fitarainana ttao amin’ny zandaey ny Chef cisco Fianarantsoa fa nisy nangalatra teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny moto izay fampiasany (…) nandritra ny fisavana ny tranon’ilay pasitera dia nisy karazam-piesy pièces an’ny moto samihafa tratra tao aminy ary nandritra ny fikarohana dia nisy moto iray hafa ihany koa izay efa natakalony tamin’olona teto Fianarantsoa. Nitaraina mafy tamin’io olona io izy fa hoe simba ny fiangonany, mijaly ny mpivavaka fa tonga ny fahavaratra ka nitsetra azy dia nanaiky ny hifanakalo amin’lay moto no nanome vola amboniny » raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary miadidy ny fanadihadiana. Nosamborina ary natao andrimaso ilay mpitarika fiangonana mialohan’ny hanolorana azy eny amin’ny fampanoavana. Nanentana ny zandary ny mba tokony hanadihadian’ny mpividy moto efa niasa vao mandoa vola, sao sendran’ny kodiaran-droa halatra ka mety hiteraka olana no sady very vola. Momba ilay pasitera indray dia mitombina tanteraka ny fiteny hoe tsy kely lalana ny ratsy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici