Voatery nentina teny amin’ny hopitaly ilay mpitarika fiangonana satria tsy nahatsiaro tena noho ny daroka nahazo azy. Nandeha ireny Bajaj ireny izy ary olona niara-nitaingina izany taminy no nanendaka azy. Raha ny tombana dia efa miara-miasa amin’ny ratsy ilay mpandeha sy ilay mpitondra Bajaj. Nentin’izy ireo teny amin’ny toerana mangingina ilay pasitera ary teo no nodarohina mafy mba nanendahana izay teny aminy. Ny olona no nahita azy tsy nahatsiaro tena ary nitondra teny amin’ny toeram-pitsaboana. Isan’ny toerana be vahiny Mahajanga amin’izao fotoana izao satria betskaa ny mpiala sasatra no misafidy ny ho any noho ny haratsian-dàlan’ny RN2. Etsy ankilan’izay koa, misy ny zaikabe izan-karazany any an-toerana ary mifamezivezy ny olona. Mila hamafisina kokoa ny fandriam-pahalemana any an-toerana satria mitady ho lasa be mpanao ratsy. Tsiahivina fa vao ny herinandro lasa teo koa no nisy karàna maty voatifitra teo am-povoan-tanànan’i Mahajanga.
D.R