Nanapa-kevitra ny hanafoana ny lanonana rehetra tamin’ny ora farany, ny COMADIS amin’ny hetsika rehetra izay nokasaina hatao eto Antsirabe mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska, na dia efa tomombana avokoa aza ny fanomanana rehetra. Izany dia vokatry ny tsindry sy fandrahonana mahazo ny orinasa
Fantatra izany nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety omaly hariva, natao teo imason’ny ben’ny Tanana, Paul Razanakolona tompon’andraikita voalohany ny hetsika sy ny tanàna. Nambaran’ity farany fa efa kolontsaina hatry ny ela teto Antsirabe ity fankalazany ny fetin’ny Paska ity ary nifandray hatrany ny tadin-dokanga teo amin’ny mpanohana maro samihafa. Gaga anefa izahay hoy ny ben’ny Tanana raha naharay fitarainana tamin’ny orinasa Comadis sy Star, fa misy manenjika sy manelingelina ny hetsika hatolotr’izy ireo mandritra ny fety.
Nanazava avy hatrany Atoa Jaona Ralamboson tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Comadis, fa misy olona manakantsakana miharo zavatra tsy mazava sy hafahafa ambadiky ny filazana nomena ny orinasa. Araka ny fanazavana, fampandrenesana am-bava no natao tamin’ny orinasa milaza fa mandika lalàna manao dokam-barotra mamitaka amin’ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ny orinasa. Nisy solontena avy tamin’ny ministera nifampiresaka tamin’ny tomponandraikitry ny orinasa sy nanasa ho tonga any amin’izy ireo saingy nandà izany izahay hoy ny fanazavana. Nilaza ity iraka avy amin’ny ministera ity hoy hatrany ny fanazavana fa azo atao ny mifanaraka sy hanaovana ny fety ary nitaky vola an-kolaka izy mikasika ny taratasy iray izay marihana fa tsiambaratelo nefa tonga any amin’ny Comadis. Io taratasy io izay nalefa any amin’ny ministera foibe milaza ny fanaovana dokam-barotry ny alikaola sy doka mifono fitaka ka ny talem-paritry ny serasera sy ny andrim-panjakana eto Vakinankaratra no niandohany ary marihina fa dia mazava ny soratra tsiambaratelo aminy. Nadikan’ny orinasa ho fandrahonana ambadika sy fitakiana vola ankolaka izao fihetsika izao ka naneho ny alahelony ny orinasa ary izao nanapaka hevitra izao, fa hanajanona ny lanonana rehetra nokasaiana hatao. Ity orinasa ity anefa izay isan’ny sangany indrindra amin’ny fanafanana lanonana eto Antsirabe rehefa Paka nandritra ny 5 taona nifanesy izay. Manginy fotsiny ny hadisoam-panantenan’ireo vahoakan’Antsirabe sy vahiny higoka ny fetin’ny Paska eto Antsirabe, mpanakanto malaza maro rahateo no hanafana ny lanonana eto nefa izao foana izao.
Solontenan’ny mpanakanto sy miandraikitra ny serasera eo anivon’ity orinasa ity i Gothlieb ; izay nanamarika fa tsy tokony ho 3 na 4 andro alohan’ny lanonana no nandefasana ireny taratasy ireny. Ny mpahazo tombontsoa no voatohintohana sy diso fanantenana dia ny vahoaka izany. Hangina ve izany ny fetin’ny Paska eto Antsirabe? Voalaza mantsy fa hijanona eo ihany ireo tranoheva, saingy foana izy ireo. Fantatra ihany koa fa orinasa iray goavana mpanohana amin’ity taona ity sisa no hanao izay,dia ny STAR. Izany dia vokatry ny fanohintohinana avokoa.
Andry N.