- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPaska Antsirabe : Nasiam-panamboarana ny lalana

Paska Antsirabe : Nasiam-panamboarana ny lalana

Isan’ny mampitaraina ny mponina eto Antsirabe ny faharatsian’ny lalana , tsy antampotanana ihany fa saika manerana ireo faritra rehetra eto dia  saika potika tanteraka feno lavadavaka avokoa ny arabe rehetra, mampiteny ny maona mihitsy hoy ny fitenenana.

Faritra iray eto amin’ny Nosy isan’ny malaza sy be mpitsidika indrindra ny tanan’ Antsirabe rehefa Paska toy izao. Nambaran’ny ben’ny tanan’Antsirabe Dr RASAMIMANANA Honoré, mahakasika ny faharatsian’ny lalana fa tsy Antsirabe irery no misedra izany ary hiara mahalala hoy izy ny olana ateraky ny krizy maneran-tany. Manampy izany ny vanim-potoan’ny orana tahaka izao dia maro ny lalana potika. Na izany aza efa maro ny lalany nasiam-pamboarana teto saingy mbola maro koa anefa ny tsy vita. Aminin’izao fanimpotoana ny Paska izao dia ampitomboina ny ezaka hatao hoy nga ben’ny tanana amin’ny fanamboarana ny lalana. Misy ny hiarahana amin’ny fanjakana foibe dia ireo lalam-pirenena mandalo eto Antsirabe, izan’izany ny ao Ambohimena RN7  izay niteraka resaka teto Antsirabe ny faharatsiany.

Notsipihan’ny ben’ny Tanana fa sady tsy manana fahefana no tsy manana hoenti-manana ny hamboatra an’io lalana io ny fiadidiana ny tanana raha tsy mangataka fahazoan-dalala manokana amin’ny fitalevam-paritry ny asa vaventy eto Vakinankaratra noho izy lalam-pirenena. Tsy afaka mamoaka vola amin’io lalana io ihany koa ny fiadidina ny Tanana raha ny fanazavana.

Noho ny fahasahiran’ny vahoaka mampiasa an’io lalana io anefa dia tsy maintsy nikaroka vahaolana ny fiadidina ny Tanana hamahana ny olana ka efa natomboka ny fanamboaran-dalana ao Ambohimena ao. Ankaotra izay dia hasiam-panamboana avokoa ny lalana rehetra eto hitsenana ny fetin’ny Paska. Teny filamatra ho an’ity Paska ity ny hoe Paska miavaka ho an’ny tanan’Antsirabe.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici