- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversPaska hieren-doza : Hampiasa « ethylo-test » ny polisy

Paska hieren-doza : Hampiasa « ethylo-test » ny polisy

Amin’izao ankatoky ny fety izao indrindra no mahabe ireo lozam-pifamoivoizana isan-karazany, eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mba  hiarahan’ny rehetra mifaly amin’izao fetin’ny Paska izao sy mba ho fety hieren-doza, dia hisy ny fisorohana ny loza mety hitranga sy mba hitandroana ny fandriampahalemana. Noho izany dia polisy 600 eo ho eo no haparitaka eto sy amin’ireo lalam-pirenena mivoaka ny renivohitra, araka ny fantatra nandritra valan-dresaka nataon’ireo tompon’andraikitra ho an’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalàna, omaly. Hiavaka tsy toy ny isan-taona anefa izany, satria hisy ny fampiasana “ethylo-test” na “alco-test”, araka ny fahafantaran’ny besinimaro azy, mandritra ny fisavana. Nandritra izay telo volana voalohany izay tokoa mantsy, dia 245 teo ho eo ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teo Antananarivo sy ny manodidina, raha ny voaray teo anivon’ny pôlisy fotsiny. Ireo môtô sy ny taxibe no fantatra fa tena be indrindra ary namoizana ain’olona ihany koa, izay araka ny voalaza hatrany, dia vokatry ny tsy fanarahan-dalàna na olana ara-teknika no antony. Ho hentitra dia hentitra tokoa araka izany ireo mpisava, mandritra ity fety ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser