- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPasseport : Hiova ho elektronika tanteraka

Passeport : Hiova ho elektronika tanteraka

Manomboka amin’ny alatsinainy izao no hanomboka ny famoahana ilay passeport electronique vaovao hampiasaina eto Madagasikara. Vokatry ny ezaka nataon’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena moa no nahavitana izao fanovana goavana izao. Tsy ho azo hanaovana hosoka na alain-tahaka ihany koa ity passeport ity ary fitaovana ary fomba tanteraka no ho entina manara-maso izany. Omaly no naseho am-pahibemaso ireo fitaovana fitiliana ireo ary efa ampiasain’ny firenen-dehibe rehetra maneran-tany. Ny fombafomba sy ny antotan-taratasy fikarakarana izany moa dia tsy miova fa toy ny mahazatra ihany, ary 115.000 ar kosa ny saran’ny fanamboarana azy. Ireo pasipaoro teo aloha kosa dia mbola manan-kery hatramin’ny faran’ny volana desambra 2014.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser