Taorian’ny Antsiranana sy Fianarantsoa dia anjaran’ny oniversiten’i Toamasina no nisitraka ilay fanampiana avy amin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ireo mpiasa mpandraharaha (PAT) eo anivon’ny oniversite no nahazo izany fanampiana avy amin’ny minisitra izany, noho ny fahasahiranana nandalovan’izy ireo, izay nateraky ny aretina coronavirus sy ny fihidin’ny faritra tamin’ny fotoan’andro nampirongatra izany. Mpiasa 587 no notolorana izany ny zoma hariva teo teny amin’ny CEDI akaikin’ny kianja mitafon’ny Soavita, ka vary 05kgs isaky ny mpiasa, miampy menaka iray litatra ary siramamy iray kilao no natolotra nandritra izany. “Tena ilainay amin’izao fotoan-tsarotra izao ity fanampiana avy amin’ny minisitra mpihay anay ity, na atao hoe kely ihany aza ny fatra azo”, hoy ny delegen’i mpiasa eo anivon’ny mpandraharahan’ny oniversiten’i Toamasina. Nomarihany hatrany anefa fa “miray hina amin’ireo namanay mitokana manerana ny nosy hatrany izahay amin’ny olana ara-tsosialy iainan’izy ireny, satria tao ny tsy nahazo ny tambim-karama nandritra ny 04 volana hatramin’ny 10 volana. Izahay teto Toamasina aloha misaotra ny oniversiten’i Toamasina nandray vola hatrany hatramin’izay, saingy ity volana jona ity no andrasana na mbola handray na tsia, satria efa tara lava ny fandraisanay vola tato ho ato izay”. Izay no fanentanana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny PAT Toamasina tamin’ny Ramatoa minisitra. “Ny tokony handoavana ny volan’ireo namanay tsy mbola nahazo izany karamany sy ny tambim-karamany izany, satria efa manahirana ny fiainana amin’izao”. Nihatrika ity fanolorana fanampiana ny PAT teto Toamasina ny zoma teo ity, ny talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Malala Didier