Herinandro katroka taty aoriana vao niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha izay mahakasika an’i Patrick Raharimanana. Herinandro izany izy no natao andrimaso sy nohadihadiana teo anivon’ny sampana roa samihafa an’ny mpitandro ny filaminana : ny mpanao fanadihadiana momba ny heloka bevava eo anivon’ny zandary etsy Fiadanana ary ny sampana mitovy an’ny polisy etsy Anosy. Raharaha mitovy ihany ny fanenjehana ara-pitsaràna azy dia ny famoahana amin’ny tambajotra sosialy ny andinindininy momba ny fitsidihana distrika izay hataon’ny Filoham-pirenena. Tsy mbola nisy ny vaovao ofisialy teo anivon’ny fitsaràna fa ny tsikaritra kosa matetika dia raisina ho toy ny fanohintohinana filaminana anatiny ny tranga toy izany ary matetika koa dia ny fanjakàna avy amin’ny alàlan’ny « ministère public » ny mpitory. Taorian’ny nitondràna an’i Patrick Raharimanana teo anivon’ny fampanoavana dia nivoaka ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hametrahana azy ho eo ambanin’ny fanaraha-mason’ny fitsaràna. Izany hoe (amin’ny ankapobeny), mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsaràna azy, voatery tsy afaka ny mivoaka ny faritra ; mandalo eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana na ny mpitsara izay misahana ny raharaha ary manaporofo fa tsy nitsoaka na nivoaka ny faritra ; tsy mahazo maneho hevitra na amin’ny haino aman-jery na ny tambajotra sosialy. Ny tsikaritra dia dosie roa no indray naboridany teo amin’ny tambajotra sosialy fotoana fohy alohan’ny nikarohan’ny mpitandro ny filaminana azy tany an-tranony tetsy Ambohipo sy Mahajanga. Teo ny momba ny tsenambarom-panjakana izay mihoa-pampana ny sora-bola ao anatiny. Toy ny hoe solosaina izay efa misy hatramin’ny 20 tapitrisa ariary ny voasoratra ho vidiny ao anaty sora-bola. Fotoana fohy taorian’izay indray dia navoakany ny kalendrie fitsidihana distrika maro an’ny Filoha. Andro vitsy taorian’izay no nandeha ny fikarohana an’i Patrick Raharimanana izay tonga teny Fiadanana namaly ny fiantsoana azy, na tsy hita tao an-tranony aza. Asa sarotra hatrany ny fisintomana lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy. Efa nisy ny nigadra, misy koa ny mbola karohina ary misy ny miandry ny fitsaràna azy. Antony nahatonga ny firaisamonim-pirenena nangataka ny hanaovana lalàna mitokana momba ireny olona ireny mba ho fiarovana ny asany.
D.R