Nanomboka izy mbola valo taona no efa niditra teo amin’ny resaka fanendahana ity mpanendaka raindahiny ity. Efa indimy nigadra ingahirainy tao anatin’izany. Voasambotra indray tetsy amin’ny Pavillon Analakely Ra-Gogol ary heverina fa hiditra amin’ny fanineniny any am-ponja. Fianakaviana mpanendaka mihitsy izy ireto raha ny voalazan’ny polisy no jerena. Nambaran’ireo mpanao fanadihadiana mantsy fa hoe ny raikeliny sy ny zaodahiny, izay efa mpanendaka nikoizana teny amin’iny faritra Anakely sy ny manodidina iny no voalaza fa nampianatra azy nanendaka, fony izy mbola valo taona. Tao anatin’izay 15 taona nanendahana izay dia efa maro tsy tambo isaina intsony ny olona nataony nahita faisana. Ary efa betsaka toa izany ihany koa ny fitoriana azy. Nambara rahateo fa efa indimy niditra am-ponja ingahirainy tao anatin’izay ary tokony hoe efa-taona mahery teo izay no nivoaka ny fonja ny anao lahy. Mazava ho azy, efa nitombo izay tsy izy ny traikefa ary tsy maintsy niverina foana tamin’ny asany taloha ny tovolahy na dia teo aza izay fivezivezena tany am-ponja matetika izay. Ny alarobia teo indray Ra-Gogol no tra-tehaky ny polisy avy etsy kaomisarian’ny boriborintany voalohany teo am-panantanterahana ny asa ratsy fanaony. Teo am-panendahana ramatoa iray, mpiantsena teny an-toerana Ra-Gogol no tratra ambodiomby ,hoy ny polisy. Omaly izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary angamba tsy atao mahagaga intsony raha hidoboka am-ponja indray mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy, izay heverina ihany koa fa tsy maintsy hihinana an-taonany vitsivitsy any am-pigadrana. Mahalasa saina ny rehetra tokoa raha ity tranga ity, mahakasika ny toeram-pamonjana eto amintsika. Tena toeram-panarenana marina ve izy ireny sa “toeram-pialan-tsasatra fotsiny sy fanatevenana traikefa amin’ny asa ratsy” araka ny hadrohadron’ny sasany? Tsy i Ra-Gogol ihany mantsy, izay raha eo amin’ny sehatra ny asa madio dia mety efa notolorana mariboninahitra, fa mety mbola maro ireo tontakely mivoaka sy miditra any am-ponja kanefa tsy mety fay mihitsy. Ny eo ihany no eo ary ny loza, raha mpanao sinto-mahery tany aloha, jiolahy mitam-basy raha vao mivoaka avy any …
m.L