Fa dia inona loatra no fiheveran’ny olona izany atao hoe “ambany tanàna” izany? Raha ny tena izy, tsy ny faritra iva ao amin’ny tanàna iray ve no antsoina toy izany ?
Noho ny toerany, rehefa tonga ny fahavaratra, dia mazàna, petsapetsa ny tany ary mety ho difotra mihitsy aza rehefa mijojo ny orana. Mihoatra izany, ny loto voasariky ny rano dia ao amin’io faritra io no miraraka, ka mahatonga ny toerana ho tsy mahasalama.
Tsy mahagaga, araka izany, raha tsy azo natao ny nanototra ny faritra ambany. Tsy mahagaga ihany koa raha toa tsy nanorina trano eo ny manankarena, mba hisorohana ny aretina sy ny loza samihafa.
Ireo mahantra no nanao fonenana ankeriny tamin’io faritra io, ary nisedra ny vokadratsiny.
Izany angamba no nahatonga ny fiteny hoe « ambany tanàna » hitory fanambaniana !
Amin’izao andro sarotra izao, vitsy dia vitsy ireo manankarena. Mahantra ny ankamaroan’ny vahoaka. Ny maro anisa ahilikilika amin’ny andavanandro, kanefa tsaroana ihany rehefa tonga ny fotoam-pifidianana ! Poa toa izay ny « ambany tanàna » no omena vahana sy lolohavina an-tampon’ny loha ! Mahatalanjona ny mihaino ireo mpanao fampielezan-kevitra : « Ianareo no hery ! Ianareo no andrin’ny firenena ! Anareo ny fanjakana !… ». Toa nisokatra tampoka ve ny maso ?…
Izany atao hoe « avy any ambany tanàna » izany, tompoko, dia tsy midika velively hoe “olona tsinontsinona, tsy misaina, mahantra ka mora ambakaina ary azo sandaina vola” !
Olon-tsotra, tsy mitaky omena tombony mihoatra ny hafa, fa mangataka kosa ny tsy hanamaivanana azy, satria manana ny zony tahaka ny olompirenena rehetra izy.
Ankehitriny indray, ny mampiavaka ny « ambany tanàna » dia noho izy ireo mafy ady : rehefa tsy iharan’ny tondradrano, dia iharan’ny tondratany. Eny, voatototra avokoa ny faritra iva. Zara raha misy ny tany lemaka ahafahan’ny rano mikoriana, ka lasa mampidi-doza ho an’ny mponina miaina eo anelanelan’ny tany voatototra.
Ny avy any amin’ny faritra avo, dia tonga eny amin’ny faritra iva. Lasa « ambany tanàna » koa ve izany izy ireny ?…