- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversPentekosta : Olona 135 nataon’ny polisy fanadihadiana

Pentekosta : Olona 135 nataon’ny polisy fanadihadiana

Toy ny isan-taona, dia anaty andro fety aza dia nisy hatrany ny olona izay nania. Ny faran’ny herinandro teo, izay sady fankalazana ny pentekosta dia nahatratra 135 ny olona izay nataon’ny polisy fanadihadiana teto an-dRenivohitra. Tao ny nangalatra, tao ny nanendaka, tao koa ny mamo an-dalambe ary ny lozam-pifamoivoizana samihafa. Ireo fandikan-dalàna manoloana ny fepetra izay napetraka mba hiadiana amin’ny valanaretina coronavirus no tena betsaka tamin’ireo olona izay nanokafana fanadihadiana. Nahatratra 120 izany raha araka ny tatitry ny polisy. Manarak’izay kosa ny halatra madinidinika sy ny fanendahana ary ny lozam-pifamoivoizana sy ny hamamoana an-dalambe. Ankoatr’izay, dia tsy vitsy koa ny olona izay nandeha hariva na alina kanefa tsy nitondra kara-panondro. Voatery nohadihadiana izy ireo ary izany indray, dia entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tatitra izay teto amin’ny boriborintany valo eto Antananarivo Renivohitra izay misy ny fari-piadidian’ny kaomisaria foibe ireo voalaza ireo. Isan’ny voamarika ny fisian’ny razana iray; izay hita teny an-dalambe. Teo koa ny fisian’ireo izay nitsoaka rehefa nandona olona tamin’ny fiarakodia izay nentina. Olona roa no voalaza, fa naratra ary ny mpamily kosa dia tsy nijanona. Ny fitambaran’ireo rehetra ireo no nanome ny isa 135 izay nanokafana fanadihadiana ny faran’ny herinandro teo, ary niampy ny alatsinain’ny pentekosta.

D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici