Malaza ratsy loatra amin’ity resaka bizina sy mpanera ity ny ao amin’ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fahazoan-dalana mamily sy ny taratasy firaiketan’ny fiara, na ny CIM etsy Ambohidahy. Amin’izao fotoana izao dia misy ny ezaka, tarihan’ny Lehiben’ity sampan-draharaham-panjakana ity, Atoa Charli Hyacinthe Rajaonarison, hanadiovana izany fomba ratsy teo aloha izany. Miara-miasa akaiky amin’ny Bianco sy ireo pôlisy mpanao fanadihadiana ao amin’ny Faritany, araka izany, izy ireo. Ny alakamisy lasa teo ary, mpibizina, na irony mpanera sy mpisoloky irony, dimy lahy no tratra ambodiomby nisandoka andraikitra sy nisoloky olona saika hanova ny fahazoan-dalana mamiliny ho “permis biometrique”. Mbola hita tany amin’ireto mpisoloky dimy lahy ireto ny vola mitentina dimy hetsy ariary, ary antontan-taratasy marobe. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo, no niakeny fa saika hisoloky ilay olona mihitsy izy ireo. Ary efa zavatra fanaon’izy ireo ao amin’ny Faritany ny manao toa izany. Raha ny fantatra mantsy, raha tokony ho efatra alina ariary monja no tokony aloha ara-dalàna, amin’ny fanovàna izany fahazoan-dalàna mamily izany, dia mitaky avo zato heny ry zalahy ireto. Tsy vitan’izay fa mbola mampanantena ilay olona hisolokiany fa vitany ao anatin’ny fotoana fohy monja izany. “Milaza ho mpiasan’ity sampan-draharaha ity izy ireo amin’izany asa ratsiny izany, ary vitany tokoa ny mandrokiroky ireo olona. Ireo olona avy lavitra no tena lasibatra amin’izany”, hoy ny fanazavàna azo. Fisolokiana, fisandohan’andraikitra ary fampiasana taratasy sandoka, ireo no vesatra anenjahana azy dimy lahy ireto. Omaly izy ireo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ka nadoboka any am-ponja avy hatrany ny efatra tamin’izy ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray. “Mbola mitohy fa tsy mijanona akory izao fanadiovana sy famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ity sampan-draharaha ity izao. Ary mampitandrina ireo izay mbola sahy hanao izany izahay” hoy ny filazan’ireo tompon’andraikitra. Raha eo amin’ity resaka hosoka ity dia fantatra efa mihoatra ny 60 hatreto no fahazoan-dalana mamily “vorontsiloza” tratra teny Ambohidahy. Manentana ny olona hatrany ihany ireo tompon’andraikitra fa hampilaza avy hatrany azy ireo raha misy zavatra mampiahiahy. Tsy tokony hisy vola aloa mihoatra ireo izay efa voatonon’ny lalàna mantsy ao. Ary mba hanamorana ny fandoavam-bola dia efa nantsangana ny fandraisam-bola tokana ao an-toerana. Dimy andro monja dia vita ny fahazoan-dalana iray. Vola efatra alina ariary, miampy dika mitovy amin’ny kara-panondro sy ilay fahazoan-dalana mamily teo aloha no entina. Marihana fa amin’ny 31 desambra no fe-potoana farany ahafahana manolo izay.
m.L