lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-Divers« Permis de conduire » hosoka : Mpampianatra amin’ny « auto-ecole » iray voasambotra

« Permis de conduire » hosoka : Mpampianatra amin’ny « auto-ecole » iray voasambotra

Milaza ho mahatafavoaka taratasy fahazoan-dalana mamily haingana ity lehilahy 41 taona. Mpampianatra eo anivon’ireny sekoly fampianarana mamily ireny rahateo ny tenany, ka tsy atao mahagaga raha maro ireo olona manatona azy. Rehefa tena nozohiana anefa, « permis » hosoka avokoa no nomeny ireo olona ireo, eny fa na dia nisy fitomboka ara-dalàna avy eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana miandraikitra izany aza, dia ny « CIM » izany.

Mbola irony fahazoan-dalana mamily vita taratasy, « permis » teo aloha irony moa no nomeny ireo olona izay manatona azy, tamin’izany, izay mety antony iray nahatonga ny ahiahy tamin’ity lehilahy ity ihany koa. Rehefa nisy mantsy ny fitairanana nataon’ny olona dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tsy sarotra akory ho an’ireo farany araka izany ny namantatra ny loharano niavian’izany « permis » hosoka, ka io niafara tamin’ny fisamborana an’ingahy mpampianatra no sady mpibizina, ny faran’ny herinandro teo. « Rehefa natao ny fisavana ny tranon’ity farany dia mbola nahatratrarana fitomboka hosoka miisa telo sy taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia maromaro » hoy ny vaovao azo.

Mazàna tokoa amin’ny toe-javatra tahak’itony dia tsy miasa irery izany ny olona voasambotra tahak’izao fa tsy maintsy manana namana. Ary mety efa ho tambajotra iray mihitsy, na ny famoahana fotsiny an’ilay karatra mavokely, tsy mbola nisy na inona na inona aza. Niaiky an’izay moa ity ranamana ity ary efa nanoro tsirairay ireo namany. Efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo ny pôlisy.

Etsy andanin’izay, dia hita fa efa tena niparitaka be izay tsy izy ny « permis » hosoka nataon’ity lehilahy ity dia voatery ny pôlisy tao Tolagnaro tao, nisava sy naka fahazoan-dalanana maromaro teny an-dalana, izay ahiana ho tsy izy. Nahatratra teo amin’ny 28 isa teo izany. Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Ingahy mpampianatra « auto-ecole » mpanao hosoka kosa dia efa natolotra teo anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici