Velom-panantenana ny komitin’ny pesta eto Toamasina raha ny zava-misy ankehitriny, manamarina izany ny tatitry ny vondrona iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) sy ny Mpitsabo iraisam-pirenena tsy misy sisin-tany (MSF) ary ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana, fa tao anatin’ny herinandro izao dia tsy nisy olona vaovao nararin’ny pesta intsony niditra hopitaly. Nanamarina izany koa ny fandalovan’ny minisitry ny fizahan-tany Roland Ratsiraka teto Toamasina nihaona tamin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny talem-paritra, sy ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany, ary ny mpanao gazety. Raha ny fanazavana dia isan’ny dinika goavana teo anivon’ny fivorian’ny governemanta ny mikasika ity trangana valan’aretina pesta ity, ka nivoaka tamin’izany fa tafiditra amin’ireo distrika telo eo an-dalam-pamaranana ny valan’aretina i Toamasina, noho ny tsy fisian’ny tranga intsony efa ho herinandro izao, na eo aza ireo distrika efatra vaovao nahitana tranga dia i Farafangana, Andramasina, Miarinarivo ary Ambositra. Ho avy ihany i « Costa ». Taorian’ny famalian’ny minisiteran’ny fizahan-tany sy ny tatitry ny OMS mikasika ny zava-misy momba ny pesta eto Toamasina, dia fantatra izao fa tsy hanapaka ny fitsidihany isaky ny 15 andro ao anatin’ny fahatongavana im-18 ny sambo mpitondra mpizaha tany « Costa ». Ny 04 novambra izao no tonga ao Nosy Be ny sambo ka ny 07 novambra no hiantsona eto Toamasina kosa. Fantatra ihany koa anefa izao fa namerina ny fandalovany eto Toamasina ihany koa ny sambo “Aida” sahanin’ny “Carnival” izay hitondra mpizaha tany Alemana marobe ny volana novambra izao. Ny olana kosa anefa ho an’ireo mpanomana hetsika, dia isan’ny tratran’izany olana izany ka voatery nampihemotra ny hetsika ara-pizahan-tany ny “Avy Litchis 2017” any amin’ny faran’ny volana novambra indray ireo komity mpanomana izany. Ankilan’izay, araka ny fanazavan’ny minisitry ny fizahan-tany teto Toamasina dia ho avy eto Toamasina ny filohan’ny vondrona iraisam-pirenena ny fizahan-tany (OMT). Na izany aza dia fantatra araka ny angom-baovao fa misy trano fandraisam-bahiny iray eto Toamasina tratran’ny fanafoanana famandrihana hatramin’ny 40% noho ity pesta ity, koa ahiana indray ny fampiatoana mpiasa.
Malala Didier