- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversPesta eto Toamasina : Iray indray maty, miparitaka ny peta-drindrina milaza ny...

Pesta eto Toamasina : Iray indray maty, miparitaka ny peta-drindrina milaza ny fisiany

Taorian’ireo olona roa maty ny sabotsy teo sy ilay iray maty ny talata lasa teo ; izay niadian’ny havany ny hakana azy teo anivon’ny hopitaly Morafeno, dia nisy tranga iray nahafaty tovolahy hafa indray omaly alakamisy tao amin’ny sampana mpitsabo ny aretin-tratran’ny hopitaly be. Tokony  ho 30 taona eo  ity tovolahy matin’ny pesta amin’ny tratra omaly alakamisy ity teto Toamasina, izay mponina avy ao Morarano. Taorian’ny fahenoan’ny fianakaviany fa maty ny havany, dia tonga saika haka ny razana izy ireo, nefa nifampiresaka tsara tamin’izy ireo ny mpitsabo mba tsy hiverenan’ilay tranga niseho voatery niantsoana mpitandro ny filaminana tao amin’ny hopitaly Morafeno, dia nanaiky izy ireo mba hiarovana ny fahasalaman’ireto havany sy ny vahoaka eto Toamasina ihany koa. Vokatr’ity olona maty mifanesy amin’ny pestan’ny tratra milaza fa voafehy eto Toamasina ity, dia manomboka manahy ny “fahamarinana” ny ambaran’ireo mpitsabo ny ankamaroan’ny olona; tsy sahy milaza ny “marina” amin’ny mpanao gazety intsony, fa peta-drindrina apetaky ny tompon’andraikitry ny fahasalamana isaky ny andrin-jiro sy rindrina samihafa ary ireo toerana mety hametrahana izany, no fomba fiasa amin’izao zava-misy izao.  Raha ny zava-misy eto Toamasina izany dia miverina mahazo vahana ity aretina pesta amin’ny tratra ity. Manomboka miverina mividy fanafody heverin’ny olona, fa fanefitra amin’ity areti-mandoza ity ny ankamaroan’ny fianakaviana amin’izao fotoana izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici