- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversPesta eto Toamasina : Nisy olona roa maty indray ny faran’ny herinandro...

Pesta eto Toamasina : Nisy olona roa maty indray ny faran’ny herinandro teo

Nahoraka sy nahazo vahana tamin’ny resaky ny olona teny rehetra teny, hatrany am-piangonana, izay nohamafisin’ny angom-baovao natao ihany koa, ny fisian’ny olona matin’ny pesty ny havokavoka niisa roa, ny faran’ny herinandro teo teto Toamasina. Raha io angom-baovao io ihany dia nisy olona iray tokony ho 30 taona niditra hopitaly tao Morafeno (hopitaly manara-penitra teo aloha) ny zoma 22 septambra. Nandritra ny fizahana azy dia fantatra fa pesta amin’ny avokavoka no nahazo azy ka nafindra teo anivon’ny hopitaly mitsabo ny aretin-tratra teo anivon’ny hopitaly be, saingy ny fahatongavany teny no ela ny sabotsy teo dia maty ilay marary. Ny faharoa, izay 25 taona, ny sabotsy 23 septambra teo io ihany dia nisy olona iray hafa ihany koa niditra ny hopitalin’ny marary tratra teo anivon’ny hopitaly be. Noho ny efa fihombon’ny aretina tamin’ny famonjeny hopitaly dia maty ihany koa ity marary ity ny sabotsy alina ihany. Efa samy nalevina izy ireo raha ny vaovao.  Vokatr’ireo tranga ireo dia niezaka niantso ny talem-paritry ara-pahasalamana atsinanana ny mpanao gazety, saingy tsy namaly ny antson’ny mpanao gazety hakana ny heviny sy fanazavana mikasika ity olona roa matin’ny pesta ny faran’ny herinandro ity izy ireo. Ireo mpitsabo hafa nanontaniana mikasika ity raharaha ity kosa, dia teo no nilaza ny tsy fahalalany izao olona roa matin’ny pesta teto Toamasina izao. Ny tena olana anefa amin’ity raharaha ity dia taorian’ny fahatongavan’ny ekipan’ny “institut Pasteur” sy ny “OMS” teto Toamasina nanao fanadinadiana, sy nijery ifotony ity aretina ity, no nitrangany indray…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici