Nivoaka tamin’ny fahanginany ny ben’ny tananan’i Toamasina, Dr Ratsiraka Elise Laurent, taorian’ny fanakihanana nataon’ny praiminisitra azy, sy mikasika ny valan’aretina pesta eto Toamasina. Nisy noho izany ny fiantsoany mpanao gazety nilazany ny heviny omaly atoandro.
Mitombo isa ny marary sy ny maty. “Aza menatra isika miantso vonjy iraisam-pirenena raha tsy vitantsika intsony ny famehezana ity valan’aretina pesta ity; tsy fahotana mahafaty izany fa fomba iraisam-pirenena satria areti-mandoza sy mety handripaka ain’olona maro ny pesta, ary isika eto ihany no misy izany pesta an-tanan-dehibe izay tena manamora ny fiparitahan’ny aretina”, hoy Dr Ratsiraka Elise Laurent. Nohamafisiny hatrany fa “anjaran’ny fanjakana no manao izany antso avo izany, nefa ilaina ihany koa ny filazana ny marina amin’ny malagasy hanamora ny fiarovan-tenany”. Tao anatin’ny herinandro mantsy dia tsy nitsahatra nitombo ireo voan’ny pesta; raha ny voalazan’ny ben’ny tanana dia olona iray indray maty omaly, nitombo ho 40 eo ireo marary manaraka fitsaboana, ary tafakatra “23” ireo mpitsabo miabo tamin’ny fitiliana natao azy ireo.
“Miasa ny fanjakana”. Nanomboka tamin’ny alatsinainy tolakandro izay mbola mitohy hatramin’izao dia ny fandrarahana fanafody amin’ireo sekoly ara-panjakana sy tsy miankina misy eo anivon’ny Sisco Toamasina I no natao, hahafahana mandray ireo mpianatra ny talata 10 oktobra izao; ankoatra ireo taksibrosy sy ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-5 mivoaka sy miditra an’i Toamasina. “Miasa ny fanjakana na betsaka ny fanakihanana misy” hoy ny eo anivon’ny prezidansa, vokany hitohy eny amin’ny fokontany ny fandrarahana ny fanafody eto Toamasina manomboka ny faran’ny herinandro izao. Hahazo ny anjara fanafodiny koa ireo biraom-panjakana sy ireo toerana be mpivezivezy hisorohana ny fihanaky ny pesta eto Toamasina ity.
Ho an’ny ben’ny tananan’i Toamasina, Dr Ratsiraka Elisé Laurent, dia mitohy ny fanadiovana entin’ny kaominina na “fako sy voalavo ary parasy” tsy mitondra pesta aza no misy eto Toamasina; aretina vahiny nentin’olona no tonga eto Toamasina ity nefa tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny kaominina amin’ny fifehezana izany, sy manampy ny mponina tsy ho raiki-tahotra be loatra.
Malala Didier