- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversPesta eto Toamasina : Tsaho « vakisinin’ny pesta », natsahatra ny fitsaboana...

Pesta eto Toamasina : Tsaho « vakisinin’ny pesta », natsahatra ny fitsaboana ireo havan’ny marary

“Faly tena faly izao ireo andian’olona nanely ilay tsaho mikasika ny vakisinin’ny pesta natao an-tery teny amin’ny fokontany izay nitondrana mpitandro ny filaminana, satria nahomby ny haratsiam-panahiny sy ny faniriany ny Malagasy ho fatin’ny pesta eny amin’ny fokontany eny”. Izay no nambaran’ireo mpikamban’ny komity misahana ny pesta eto Toamasina; satria nanomboka ny alakamisy teo nivoahan’ilay “tsaho” dia natsahatra avokoa ny fidinan’ireo mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ireo mpanetana isam-pokontany, amin’ny fandrarahana fanafody sy fitsaboana ireo havan’ireo mararin’ny pesta niditra hopitaly eny amin’ny fokontany misy azy. Manahy ny ainy ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto noho ny fokontany sasany efa manao fiambenana amin’ny antsy be sy vatan-kazo an’ireo ambarany fa mpitsabo manao ity vakisinin’ny pesta tsy misy akory ity. Noho io fitsaharan’ny fanomezana fanafody sy famendrahana fanafody amin’ny havan’ireo voan’ny pesta io anefa dia atahorana hiteraka trangan’aretina hafa indray atsy ho atsy, ka ahiahiana hirongatra indray ny valan’aretina pesta raha efa manomboka voafehy izany ankehitriny, raha ny tarehimarika farany azo no jerena. Roa andro teo izao, ny alarobia niisa 02 sy ny alakamisy, niisa 03 sisa ireo marary namonjy hopitaly fitsaboana ny pesta. Ny fianakavian’ireo marary ireo anefa izao mila fitsaboana ara-panafody ary mila famendrahana fanafody koa ny trano sy ny tananan’izy ireo, nefa izao natsahatra izany satria manahy ny ainy ireo mpitsabo. Vokatr’ity olana ity dia nisy ny famoriana haingana ireo filoham-pokontany sy ireo lehibe na “Carreau” samy hafa misy eto Toamasina, nataon’ny prefen’i Toamasina sy ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana ary ny faritra atsinanana omaly misandratra andro, tao amin’ny lapan’ny prefektiora tao Mangarano II. Ilaina mantsy ny fanampian’ireto filoham-pokontany sy lehibe na “Carreau” ireto mba tsy hisy indray ny valan’aretina goavana vao hifanome tsiny amin’ity resaka pesta ity. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao fa mpitsabo roa avy any Toamasina II avy naka vakisiny tahaka ny fanaon’izy ireo izay ilainy any amin’ny CSB II ao Toamasina II niisa 02, iray tao Ambolomadinika, ny faharoa tao Andranomadio, no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana sy voadaroky sy voatora-baton’andian’olona ny alakamisy teo. Nefa amin’izao aretina pesta izao dia mpitsabo efa mihoatra ny 30 no voany nefa tsy maintsy niasa hatrany araka ny baikon’ny fanjakana. Natsahatra fotoana fohy ihany koa ny asan’ireo tanora mpanisa vahoaka eto Toamasina mba hiarovana ny ain’izy ireo noho ilay “Tsaho” mikasika ity vakisinin’ny pesta ity, izay tsy misy akory.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici