Taorian’ireo olona efatra voan’ny pesta nahiditra hopitaly izay samy namoy ny ainy avokoa taorian’ny fitsaboana azy ireo tao amin’ny hopitaly Morafeno sy ny sampana mitsabo ny aretin-tratra eo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina, dia fantatra indray izao fa misy dokotera dimy naiditra hopitaly noho ny pesta, mbola misy roa kosa miandry valin’ny fitiliana natao taminy.
Miteraka tahotra. Tsy nahazoana vaovao kosa ny mombamomba ireto mpitsabo ireto, fa ny hany fantatra dia dokoteram-panjakana nisahana ireo marary tratran’ny aretina pesta avokoa izy ireo teto Toamasina amin’ny maha-mpitsabo azy ireo. “Tena voafehy marina ve ny pesta?” izay ny fanontaniana apetraky ny mponina eto Toamasina taorian’ireto mpitsabo dimy voan’ny pesta naiditra hopitaly izao. Lasa miteraka tahotra ho an’ny olona ny zava-misy, ny fampitam-baovao ihany koa efa tsy misy intsony afa-tsy ny fametrahana peta-drindrina samihafa milaza ny fisian’ny valan’aretina pesta eto Toamasina, sy ny fisehony, ary ny tokony hataon’ireo mety ho tratrany.
Tandrevaka. Raha hiverenana ny tantaran’ity valan’aretina pesta eto Toamasina ity, dia noho ny tandrevaka sy fanaovana fahazarana amin’ny asa ihany no nahatonga azy. Raha efa nanao ny asany ara-dalana tamin’ny fitiliana mialoha ilay tovovavy maty tao anatin’ny taksibrosy nihazo an’i Toamasina, ny 28 aogositra najanona tao Moramanga ny mpitsabo, dia tsy nitranga izao olana izao, satria tamin’ireo olona 12 niara-dia tao anatin’ny fiara izay efa nisy roa maty, dia mbola maro tamin’izy ireo no tsy hita intsony taorian’izany. Ireo olona maty tato ho ato koa manamarina ny zava-misy noho izy ireo mifanalavitra ny toerana nipetrahany sy nahavoa ny pesta azy ireo.
Mandalo tampoka eto Toamasina noho izany ny minisitry ny fahasalamana, nijery akaiky ny mahakasika ny valan’aretina pesta eto Toamasina ity, satria tsy vitan’ny olona eny amin’ny fokontany intsony no tratrany, fa hatramin’ireo mpitsabo ihany koa. Tsy nisy anefa ny fihaonana nataony tamin’ny mpanao gazety nanazavany ny zava-misy amin’ny pesta eto Toamasina ity omaly, fa anio no milaza ny hihaona amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny vondron’ny mpitandro ny filaminana ary ny solon-tenam-panjakana ao amin’ny lapan’ny Faritra ny minisitra…
Malala Didier